Maty tsy tsa-drano ny renim-pianakaviana iray. Bala roa no nahazo azy ary voamarina fa basy kalachnikov no nampiasain’ireo jiolahy. Miisa efatra ireo olon-dratsy izay nanatontosa ny fanafihana tao amin’ny fokontany Ampamokiana, Tsingy rouge, ao amin’ny distrikan’Antsiranana. Raha araka ny tombana dia ny vola vidin’omby folo izay vao lafon’ity fianakaviana ity no lasan’ireo mpamono olona. Mbola hita teo an-toerana ny taim-bala izay nampiasain’ny jiolahy ary hita ihany koa ny laharan’ireo. Tokony hanampy betsaka ny zandary amin’ny fanadihadiana izany, indrindra amin’ny mety hamantarana ny niavian’ireo bala. Nisy ny fepetra noraisin’ny mpitandro ny filaminana avy hatrany ary isan’izany ny fametrahana sakana tamin’ny lalam-pirenena fahenina. Etsy andanin’izany dia nasiana koa ny fanarahan-dia ireo jiolahy, izany dia niarahana tamin’ny fokonolona. Ny fikaroham-baovao mahakasika an’ity raharaha heloka bevava ity no isan’ny imasoana ankoatra ny fanarahana mivantana ny olon-dratsy. Toerana izay isan’ny mivelona amin’ny fizahan-tany tanteraka ny fokontany manodidina ny Tsingy rouge. Mazava ho azy fa isan’ny misedra ny mafy koa ny mponina ao ankehitriny satria iaraha-mahalala ny fiantraikan’ny valanaretina coronavirus izay nitarika ny fikatonan’ny sisin-tany sy tsy nampihodina ny fizahan-tany. Miitatra araka izany ny sain’ny sasany ary mandroba ny samy mponina. Ny mahatalanjona fotsiny dia ny fisian’ny basy kalachnikov izay tsy tokony misy manana ankoatra ny mpitandro ny filaminana. Inoana fa ho fantatry ny mpanao fanadihadina ny niavian’ireo bala izay mbola nisy laharana ary izany no isan’ny manampy amin’ny famaliana ny fanontaniana ny amin’izay niavian’ny fitaovam-piadiana.
D.R