Lehilahy iray no namoy ny ainy, maty voatifitra avy amin’ny an-daniny. Nanao valifaty ny fianakavian’ity farany ka nanarama dahalo naka an-keriny olona roa avy amin’ny fianakavian’ireo nitifitra. Tsy fifankahazoana teo amina fianakaviana roa tonta no fototra nahatonga izany, tany amin’iny distrikan’i Malaimbandy iny. Voatery niditra an-tsehatra ny zandary. Tao amina tanana kely iray tao amin’ny fokontanin’i Tsinjorano, kaominina Malaimbandy, faritra Menabe no nitrangan’ity disadisa niafara tamina aina latsaka sy fakàna an-keriny ity, araka ny tatitra azo avy amin’ny zandarimariam-pirenena, ny faran’ny herinandro teo ary nitohitohy andro vitsy taty aoriana. Raha ny fanazavana azo dia lehilahy iray manodidina ny 30 taona no maty nisy nitifitra tamin’ny basim-borona ny alahady lasa teo. Nandray an-tànana avy hatrany ny raharaha ireo zandary tany an-toerana, ka vetivety ihany dia fantatra ilay nahavanon-doza ary voasambotra. Tratra tany aminy rahateo ny basy nitifirany an’ilay lehilahy. Nanambara ity farany tamin’ny fakàna am-bavany azy, fa fifamaliana nisy teo amin’ny roa tonta noho ny resaka fianakaviana no antony namonoany azy. Tetsy an-danin’izay anefa, tsy nipetra-potsiny ny fianakavian’ny maty fa niezaka ny namaly faty azy. Nambaran’ny loharanom-baovao, fa « naka dahalo valolahy ny fatidran’ilay maty ka naka an-keriny olona roa avy amin’ny fianakavian’ilay namono, ny alin’ny talata hifoha alarobia teo ». Tonga teny am-pototsofin’ny zandary mialoha anefa izany vaovao izany ka niezaka nanao vela-pandrika izy ireo. Ny andron’ny alarobia teo no nisy tratra ireo olona naniraka ireto malaso ireto, ary nasaina nampaniraka ny namany hamotsotra ireo olona efa teny am-pelan-tanan’izy ireo nokasaina hatao takalonaina. Avotra soa aman-tsara araka ireto farany. Araka izany, samy nisy voasambotry ny zandary ary hanaovana famotorana araka izany na ny an-daniny na ny an-kilany ary samy heloka bevava avokoa no hanenjehana azy ireo. Mbola mitohy ny fanadihadiana any an-toerana.
m.L