Fitolahy mitam-piadiana no tompon’antoka. Teo amin’ny fotoana tsy nahateo ny tompon-trano no nandroba izy ireo, ny alin’ny alatsinainy teo. Feno entana rahateo tao amin’ilay tokantrano izay sady fametrahan’ny tompony entana isan-karazany. Nobatain’ireo jiolahy tao ny vary efatra taonina, ny kibota, ny akoho amam-borona. Nadio hatramin’ny kojakojan-dakozia sy ny akanjo isan-karazany, ary dia heverina fa nanam-potoana ireto olon-dratsy ireto nanao ny asany noho ny tsy fisian’ny olona tao an-trano. Nasesin’izy ireo ny trano mifanakaiky; izay samy olona iray ihany ny tompony. Rehefa vita izay, dia mbola nodoran’ireo indray ireo trano roa. Raha araka ny fantatra dia sefo fokontany teo aloha ao Ambatomalama no tompon’ny trano. Toeram-ponenana ravan’ny afo tanteraka ary entana very no novantaniny sy ny fianakaviany tamin’ny fiverenana nody. Habibiana tsy roa aman-tany…
D.R