Tsapa eto Toamasina taorian’ny fanambaran’ny filoha, fa miditra amin’ny « deconfinement » i Toamasina, dia betsaka ireo nanararaotra izany nanaovana gaboraraka amin’ny fiarovana ny valanaretina Coronavirus. Ny alatsinainy hariva sy ny talata teo ohatra dia raikitra ny fitangoronana sy ny fisotroana zava-pisotro mahamamao teny amoron-dranomasina. Vokatra izany tsy fanajana ny fialana amin’ny fihibohana nolazain’ny filoha ny alahady teo izany, dia namoaka didim-pitondram-paritra laharana 23/20/MID/PREF/TOA ny 10 aogositra teo saingy nampahafantarina ny rehetra ny alarobia teo, ny prefen’i Toamasina Razafiarison Jean Jugus. Ao anatin’ity didim-pitondram-paritra ity izy no milaza ireo tsy azo atao ao anatin’ny fialantsika amin’ny fihibohana izao, saingy mbola ao anatin’ny fahamehana ara-pahasalamana kosa anefa. Eo ny fanajana ireo sakana ara-pahasalamana rehetra tahaky ny fanasana tanana sy ny arotava ary ny fanaovana ny elanelana ; tsy azo atao ny mitangorona mihoatra ny olona 50, ny fitsangantsanganana eny amoron-dranomasina, ary ny fanaovana fifaninana ara-panatanjahantena. Nomarihan’ny prefen’i Toamasina sy ny OMC izay niantso mpanao gazety ny alarobia tolakandro teo, fa mbola mitohy ny « couvre feu » eto Toamasina, ka manomboka amin’ny 10ora alina hatramin’ny 04ora maraina izany. Tsy azo atao ny mivezivezy ao anatin’izany, saingy afaka misokatra kosa ireo fivarotana samihafa hatramin’io amin’ny 10ora alina io. Eo koa ny fisokafan’ny zotra rejioly rehetra mandeha amin’ireo distrika 07 sy ny kaominina manodidina, ka amin’ny 05ora maraina hatramin’ny 07ora hariva ny fisokafan’izany fanaovana zotra rejionaly izany. Voalaza koa fa ny kamiao sy ireo fiara tsotra mitatitra entana rehetra dia olona roa ihany no azony entina. Izay no mahatonga ireo sakana ara-pahasalamana teo aloha ho lasa sakana ara-pitandroana filaminana indray ankehitriny, koa tsy misy intsony ny fakana hafanana amin’ny mpandeha, fa lasa fisavana taksibrosy sy fijerena ireo an-tontan-taratasy ny fiara no atao mandritra izany.
Malala Didier