Nahery vaika ny fifanjevoana, indroa miantoana ny fifandonana teo amin’ireo dahalo am-polony maro miravaka fitaovam-piadiana etsy an-daniny ary ireo zandary avy ao amin’ny vondron-tobim-paritr’i Miandrivazo, nampian’ireo hery vonjy taitra avy aty Antananarivo etsy an-kilany, ny sabotsy lasa teo. Vokany zandary roa no naratra, manamboninahitra nitarika ny iray tamin’izany. Dahalo 10 lahy kosa no tsy afa-manao ny asa ratsiny iny ary 11 hafa azo sambo-belona.
Araka ny fanazavana azo dia taorian’ilay fanafihan-dahalo nitranga tao amin’ny kaominina Ampanihy, distrika Miandrivazo, faritra Menabe, ka nahafaty ny Ben’ny tanana tamin’izany dia nisy avy hatrany fikarohana sy hazahao nataon’ireo zandary. Ny marainan’ny sabotsy lasa teo no nifanehitra tao amin’ny tanana antsoina hoe Beteva, kaominina Ampanihy ny roa tonta. Raikitra tamin’izany ny fifandonana. Manambonihitra Liétna, nitarika ireto mpitandro filaminana ireto no naratra voatifitr’ireo dahalo ary voa teo amin’ny feny. Voatery nentina navoaka sy novonjena haingana ity zandary ity. Ny loza anefa, tsy navelan’ireo dahalo nivoaka mora tamin’izao ny fiara nitondra azy sy zandary hafa nanaraka. Teny an-dalana mantsy dia vitan’ireo andian-dahalo ny nanafika ilay fiara nitondra marary. Vokany zandary iray hafa no naratra voatifitra. Tetsy andanin’izay dia mbola nitohy hatrany ny tifitra variraraka nifamalian’ny roa tonta ka tamin’izany no nahafaty ireo dahalo fololahy. Nahita an’ireo namany nitsipatsipaka tao anaty rà mandriaka sy ireo namany naratra iretsy hafa ka vaky nandositra. Ny sasany tamin’ireo moa no voasambotra, niisa 11 teo. Ireo hafa kosa mbola nanohy ny fitsoahany hatrany, eny fa na dia naratra aza ny sasany, hoy hatrany fampitam-baovao. Mbola nitohy hatramin’ny ora omaly izany fifanenjehana izany.
Ny nikasika ireo mpitandro filaminana naratra kosa dia nandray fepetra avy hatrany ny teo anivon’ny foibe Fibaikoana ny zandary, izy niara-niasa tamin’ny Etamazaoron’ny Tafika fa handefa angidim-by hakàna ireo zandary roa lahy naratra tany an-toerana, hitondràna azy ireo miakatra aty an-dRenivohitra. Omaly maraina izy ireo nigadona tetsy Betongolo. Tonga nitsena sy nankahery azy ireo avy hatrany moa ny tompon’andraikitra voalohany misahana ny zandary sy ireo manamboninahitra ambony eo anivon’ny Zandamariam-pirenena sy ny Tafika Malagasy. Nentina nihazo avy hatrany ny hopitaly miaramila etsy Soavinanandriana moa izy ireo ary araka ny fantatra dia hiantohan’ny Fanjakana manontolo ny fitsaboana ireo mahery fon’ny firenena ireto.
m.L