- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversKamiao nirehitra : May tao anatiny ny mpiambina

Kamiao nirehitra : May tao anatiny ny mpiambina

Natao avokoa ny fomba rehetra nentina namonoana ny afo, saingy nanano sarotra izany. Nahazo vahana izany noho ny rivotra izay nifofofofo. Poa toa izay, dia kila tanteraka ilay kamiao ary may tao anatiny ny lehilahy iray. Io farany dia sady mpamily mpanampy no mpiambina ilay kamiao koa. Izany hoe ao izy no matory isan’alina. Raha ny siosion-dresaka izay mandeha, dia odimoka izay nampirehetina tao anatin’ilay fiara no nitarika ny firehetana. Ny fanadihadiana no hamaritra ny mety ho fahamarinan’izay na tsia. Ny solika mavesatra toy ny « gas oil » rahateo dia tsy mirehitra amin’ny afo amin’ny ankapobeny raha tsy hoe nisy entana hafa na rano/entana mety mirehitra tao anatin’ny fiara. Tao amin’ny fokontany Ambohimitsinjo, ao Antsiranana voalohany no nitranga ny loza; izay nitarika fahafatesan’olona iray. Izany dia vao maraimbe, manodidina ny amin’ny roa ora sy sasany.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici