Nisavoritaka ny teny amoron-dranomasina ny 15 aogositra tokony ho tramin’ny 11 ora antoandro noho ny poa-basy izay nanakoako teny an-toerana. Izany dia nitranga satria tsy maintsy nanapoaka basy ireo polisy avy ao amin’ny « commissariat central » Toliara raha nanenjika jiolahy teny an-toerana. Io andro io dia nahazo loharanom-baovao ny polisy tao an-toerana ny amin’ny fisiana olona mampiahiahy tsy fantam-pihaviana, teo amin’ny manodidina ny moron-dranomasina Amorondriake. Nidina teny an-toerana avy hatrany ireo mpitandro filaminana ka nahatsikaritra lehilahy telo nampiahiahy izay nandositra avy hatrany vao nahita ireo Polisy. Nitsoaka nihazo ny ala honko izy telo lahy ireo. Niezaka nanenjika ireo Polisy, saingy nanohy ny diany ihany ireo telo lahy ireo. Tsy maintsy nanapoaka basy ary ireo polisy mba hampitahorana azy ireo ka hijanona, saingy tsy namokatra izany. Nandritra ny fifanenjehana teo amin’ny roa tonta dia tsikaritr’ireo Polisy fa nisy basy vita gasy iray latsaka avy amin’ny iray tamin’ireo olon-dratsy ireo ka nogiazana avy hatrany izany. Ireto farany izay tsy tratra fa tafaporitsaka. Nanokatra fanadihadiana avy hatrany ny Polisy nanoloana ny raharaha mba hahafahana mitady ireo telo lahy nandositra ireo. Marihina moa, fa tsy nisy aina nafoy na naratra nandritra izany fanenjehana izany.
T.M.