- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversIsotry : Mpangarom-paosy roa lahy voasambotra teo amin’ny tetezan-dRamala

Isotry : Mpangarom-paosy roa lahy voasambotra teo amin’ny tetezan-dRamala

Manoloana ny firongatry ny harom-paosy sy ny fanendahana eny amin’iny faritra Isotry sy ny manodidina iny amin’izao fotoanan’ny fihibohana izao, dia nametraka fomba fiasa vaovao ny polisy ao amin’ny kaomisaria ny boriborintany fahefatra.  Isan’izany ny fandefasana polisy manao fanamiana sivily manao fisafoana tsy an-kiato eny amin’ireo faritra mafampana amin’ny asan-jiolahy sy be mpandeha ireny. Nahitam-bokany izany omaly Alahady, raha nandalo teny amin’iny tetezan-dRamala iny ireo polisy. Lehilahy roa izay efa fantatra fa mpangarom-paosy eo amin’io toerana io no voasambotra raha izy ireo mbola nihaodihaody nitily izay ho rembiny teny. Rehefa nosavaina izy ireo dia fantatra, fa mbola tsy nahazo na inona inona io tamin’izao tratra izao. Nentina eny amin’ny kaomisaria avy hatrany moa izy ireo hanaovana famotorana ka andrasana ny hanolorana azy ireo eo anatrehan’ny Fampanoavana izay heverina fa hotontosaina anio.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici