Trano biriky lehibe roa niaraka tamin’ny trano hazo no indray levon’ny afo omaly maraina tetsy Ambodivona Ankadifotsy, ampita kelin’ny toby fivarotan-tsolika iray. Lehilahy lehibe iray, mananika ny 85 taona kosa no namoy ny ainy tao anatin’izany loza izany, araka ny fanazavàna azo avy amin’ireo tompon’andraikitra. Marihana fa mbola mistery hatreto ny niandohan’ny afo.
Tokony ho tany ho any amin’ny enina ora latsaka fahefany tany ho any no naharay antso ny fisian’ny trano nirehitra tetsy Ambodivona Ankadifotsy ireo mpamonjy voina tetsy Tsaralalàna, araka ny fanazavàna nomen’ny tompon’andraikitra voalohany misahana azy ireo. Niezaka nanao izay ho afany avy hatrany ireto farany tamin’ny famonoana ny afo, saingy efa somary nitatra moa izany tamin’izy ireo tonga teny an-toerana. Vokany, ireo trano biriky lehibe roa no may kila hotohoto niampy trano hazo iray nanelanelana azy ireo. Tokony ho tamin’ny valo ora tany ho any no voafehy tsy hitatra intsony izany afo izany, raha ny fanazavàna hatrany. Tamin’ny sivy ora maraina teo ho eo kosa no maty tanteraka ny afo. Taloha kelin’ireo nahitàna ny vatana mangatsiakan’ity rangahy lehibe ity, izay voalaza fa tsy afa-nitsoaka intsony ka voafandriky ny afo tao. Nentina nihazo avy hatrany ny tranom-paty moa ny razana taorian’izay.
Hatreto dia tsy mbola fantatra mazava izay tena antony nahatonga ny firehetana ka izao namoa-doza sy namoizana aina izao. Ny fitantaran’ireo mponina teny an-toerana dia toa hoe vokatry ny tselatr’afo nateraky ny « court-circuit » no nahatonga ny loza, kanefa mbola tsy tena voamarina izay. Ny afo rahateo moa, araka ny fantatra hatrany dia niainga tao amin’ny trano nisy ity rangahy lehibe ity. Vao nahita ny setroka nijolofotra sy ny lelafo nanaka-danitra moa ireo mponina avy hatrany dia niolomay samy namonjy ny tenany sy izay entana kely voaray teo. Vetivety anefa dia nitatra ny afo ary nahazo ilay trano hazo teo am-povoany ary niakatra indray nahazo ilay trano biriky teo anilany. Efa samy niezaka ihany ireo mponina teny an-toerana nanao izay ho afany tamin’ny famonoana ny afo tamin’ny alalan’ireo fitaovana kely teo am-pelatanan’izy ireo, toy ny koveta sy sceau ary tuyau fanondrahana zaridaina, mandra-pahatongan’ireo mpamonjy voina, saingy tsy nahasakana ny afo mpandrava tsy hamotika tanteraka ireo nohariana an-taonany maro izany.
Satria nisy ny aina nafoy ary nifamahofaho be ihany ny antony nahatonga ny loza dia voatery niditra an-tsehatra ny polisy misahana ny heloka bevava, nandray an-tanana ny raharaha. Amin’ny toe-javatra tahaka izany dia tsy maintsy heverina foana ny hoe ho hain-trano niniana natao ny nahatonga ny loza. Ny valin’ny fanadihadiana ataon’ireo mpitandro filaminana avy eo no ahafantarana raha izany tokoa no nitranga na loza nateraky ny tsy fitandremana sy ny tampoka fotsiny ihany.
m.L