Tezitra ny olona ary nidina an-dalambe omaly. Ny takian’izy ireo dia ny hanaovana fitsaram-bahoaka ireo izay ahiahiana ho tompon’antoka tamin’ny fitifirana ka nahafaty an’i Tata Ernest, sefo fokontany ao Andranomakoko. Voafehy ihany izany na dia nahiana hivadika korontana aza rehefa nisy ny fifanatonana teo amin’ny solontenan’ireo olona sy ny mpitandro ny filaminana. Na izany aza anefa, tamin’ny fotoana nahazoana ny vaovao dia mbola nitohy ny fitadiavana marimaritra iraisana teo amin’ny roa tonta mba tsy hivadika korontana ny raharaha. Ny andaniny, ireo fokonolona dia mitaky ny hamoahana ireo olona voarohirohy ho tompon’andraikitra tamin’ny heloka bevava ary hanaovana azy ireo fitsaram-bahoaka. Ny ankilany, ny mpitandro ny filaminana izay niezaka nandresy lahatra fa misy ny lalàna manan-kery ary tsy maintsy hatolotra ny fitsaràna izay tompon’antoka tamin’ny zava-nitranga. Hatreto dia olona telo no tazomina sy hatao fanadihadiana ao an-toerana. Tsy mbola fantatra ny antony namonoana ity tomponandraiki-panjakana ity hatreto ary andrasan’ny maro ny valin’ny fanadihadiana mandeha amin’izao fotoana. Ny azo heverina dia tsy asan-jiolahy no nitranga fa vonoan’olona tanteraka. Nisy olona tonga nitady tao an-tranony mantsy ilay sefo fokontany, izay tsy tao tamin’io fotoana io. Ny olona tao an-trano no norahonana tamin’ny basy ary nasaina nanoro izay misy ilay sefo fokontany. Vao hitan’ireo mpamono olona tokoa io farany, tsy nisy resaka fa avy hatrany dia notifirina tamin’ny basy. Vetivety dia nahoraka ny zava-nitranga iny alin’ny alahady iny. Nisy ny olona nosamborin’ny fokonolona rehefa noahiahian’izy ireo. Ireo ihany koa no kasaina hatao fitsaram-bahoaka. Mafampana ny raharaha ao Farafangana.
D.R