- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Tratra ireo efa-dahy mpangalatra Tuc-Tuc

Toamasina : Tratra ireo efa-dahy mpangalatra Tuc-Tuc

Romotra, raha izany no ilazana ireo mpamily Tuc-Tuc eto Toamasina noho ny fahatrarana ireo tovolahy efa-dahy mpangalatra Tuc-Tuc. Raha ny fanazavan’ny kaomisera misahana ny tampon-tananan’i Toamasina I, dia nisy ramatoa iray nanakana ity Tuc-Tuc iray teo amin’ny tetezan’ny Mangarivotra fa haterina eny amin’ny sampanan’ny “Bassin”-drano. Tonga teo Mangarano koa dia nisy roa lahy koa nanakana ilay Tuc-Tuc fa haterina eny amin’ny sampanan’ny Colas RN2. Nentin’ilay Tuc-Tuc avokoa izy ireo ka raha tonga teo amin’ilay sampanan’ny Colas anefa tsy nety niala izy roa lahy, ka mailo ilay mpamily dia niverina. Teo am-piverenana anefa ilay Tuc-Tuc dia nitranga ny fidarohana ny lohany izay nitarika azy niala tao anaty Tuc-Tuc. Vao nahita izany ireto jiolahy roa dia nentiny ilay Tuc-Tuc nefa mailo ilay tena mpamily azy ka nijapy sy nandaka ilay nitondra azy tamin’izay. Tsy lasa lavitra akory ilay Tuc-Tuc dia nivadika ka taraiky tao ambany tao ny iray tamin’ireo jiolahy roa saika hangalatra ilay Tuc-Tuc ka noraisim-potsiny. Ilay jiolahy iray hafa indray dia afaka nitsoaka ary tsy mbola hita hatramin’izao raha ny filazan’ny polisy ka karohana fatratra ankehitriny. Ny miaramila ny Jenia miaramila no tonga mialoha naka ity jiolahy voatsindrin’ny Tuc-Tuc nivadika ity ka nanolotra azy tamin’ny polisy misahana ny raharaha. Tsy nijanona tamin’ity tovolahy iray tratra ity ny anarana voaroiroy fa tamban-jotra mpangalatra Tuc-Tuc eto Toamasina ireto, fa nihitatra tamin’ireto tovolahy telo hafa ireto koa izay niteraka ireo tovolahy voasambotra ho efatra niakatra fampanoavana omaly. Niaiky ny halatra Tuc-Tuc fanaony ireto efa-dahy tratra ireto, raha niaiky fa mpamily Tuc-Tuc eto Toamasina koa ny iray tamin’izy ireo. Feno mpamily Tuc-Tuc ny teny amin’ny fitsarana omaly satria tsy manaiky ireto mpamily ireto ny famotsorana ireto olona voasambotra toy ireo hafa teo aloha. Nanambara ny kaomisera fa mbola misy naman’izy ireo mbola karohana izao, satria ilay finday fampasan’izy efa-dahy dia misy nomerao sy hafatra miafina hafahafa ka nanaovana fitarainana teny amin’ireo tamban-jotra tompony izany ankehitriny.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici