Ankizilahy 15 taona sy ny rahalahiny 26 taona no marary mafy ary tsaboina étsy amin’ny hôpitaly Joseph Ravoahangy-Andrinavalona Ampefiloha noho ny ratra nahazo azy ireo teny Anjomakely ny 15 aogositra lasa teo. Araka ny loharanom-baovao avy amin’ny fianakaviana dia mpiasa vato izy ireto ary zanak’olona mpianadahy. Io asa vato io no fiveloman’ireto fianakaviana ireto. Teo am-panaovany izany asa izany tao amin’ny kariera iray ao amin’ny toerana atao hoe Ivato, kaominina Anjomakely izy ireo, ny sabotsy 15 aogositra, no nitranga ny loza. Voatery nampiasa vanja izy ireo namakiana vato goavana iray. Noho ny fipoahana dia niantefan’ny poti-bato ka naratra mafy ireto tovolahy ireto. Voa mafy ary simba be ny tarehy sy ny tanan’izy ireo. Ny an’ilay iray aza voalaza fa tafiditry ny vato kely eo amin’ny handriny ary voadona ny atidohany. Naratra ihany koa ny rain’ny iray amin’izy ireo saingy, noho ny tsy fisiam-bola enti-mitsabo dia mihafihafy ao an-trano ihany. Tsy vita mora ny azy mirahalahy fa mila « scanner » alohan’ny handidiana, ny an’ilay zandriny ny maso, ary ny an’ilay zokiny ny loha. Miandry mpanome rà ihany koa ity farany, izay voalaza fa O- ny sokajin-dràny. Fanatatra ihany koa araka ny fitarainan’ny fianakaviana ihany fa efa tokony ho tamin’izy ireo vao niditra hopitaly no natao ny fandidiana. Noho ny fahasahiranana sy ny tsy fahampiam-bolan’ny fianakaviana anefa dia tsy vita izany hatramin’izao. Manoloana izany dia miangavy fanampiana amin’izay tsara sitrapo ny fianakaviana mba hamonjena azy mirahalahy ireo. Araka ny vaovao farany dia fantatra fa efa vita ny fandidiana tsy maintsy natao tamin’ilay zandriny ka misaotra sahady ireo izay nanampy ny fianakaviana. Ny amin’ilay zokiny kosa dia mbola mipetraka ho olana ny fitadiavana rà mifanaraka aminy (O-) ka iantsoana hatrany ny firaisan-kinan’ny rehetra fa vonjy aina ity. Ny laharana 0343131188 sy 0336440280 no azo iantsoana ny fianakaviana.
T.M.