- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025
AccueilFaits-DiversSinoa vavy nisy namono : Hita tamin’ny “camera de surveillance” ireo...

Sinoa vavy nisy namono : Hita tamin’ny “camera de surveillance” ireo niaraka taminy farany

Teny Andraharo ary avy eo nankeny Andranomena. Teo amin’io toerana farany io dia nisy raki-tsary izay nanamarina fa nisy sinoa roa niditra tokoa tao anatin’ny fiarany ary niresadresaka taminy. Tao anatin’izay dia niala tao anaty fiara ilay saofera, izay hatreto aloha raha ny fihevitra azy dia nalefa nody, ary naka bus teo am-pitan’ilay toerana. Miompana amin’izany ny fanadihadiana mandeha ankehitriny. Tsy dia misy olana loatra araka izany ny hamantaran’ny mpitandro ny filaminana ny momba ireo sinoa roa izay heverina fa niaraka taminy farany. Mbola eo ihany koa ilay saofera izay talohan’ny nandefasana nody azy dia nahita ireo olona roa ireo. Na izany aza anefa dia mety mbola nandeha toeran-kafa ihany koa izy izay vao tonga teny Soamanandrariny ka nijanona teo. Ny olona anefa teny an-toerana dia nisy mbola nanazava fa mbola nisy sinoa hafa niresadresaka tamin’ilay ramatoa teo Soamanandrariny. Mety ho ireo sinoa roa ihany ireo, raha ny fihevitry ny olona, no tompon’antoka amin’ity raharaha ity. Raha ny re, saingy mbola tsy nampitaina tamin’ny fomba ofisialy, dia hanome tambiny an’ireo izay mahita ireo nahavanon-doza ny fianakavian’ny maty. Ilay vola izay voalaza fa 50 tapitrisa ariary, tao anaty baoritra nipetraka tao anatin’ilay fiara, ve no antony namonoana azy, sa kosa “règlement de compte”? Isan’ny andrasana amin’ny valin’ny fanadihadiana ny valin’izany.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser