Zazalahikely vao 11 taona monja no natelin’ny rano rehefa nilomano, tao amin’ny reniranon’Ikopa ao amin’ny tanàna antsoina hoe Ambatofotsy, ato anatin’ny kaominina Maevatanàna voalohany, ny Alarobia lasa teo. Tokony ho tamin’ny telo ora sy sasany folakandro. Raha ny vaovao voaray, rehefa antoandro toy izao ity zazalahikely ity, no miala an-tsokosoko ao an-trano mamonjy rano miaraka amin’ny namany ary tsy nipoitra intsony avy eo. Nikoropaka ireo olona sendra teny an-toerana raha vao nahita izany, ka niantso haingana ny fokonolona tao amin’ny tanànan’Ambatofotsy, ary ireto farany avy eo no nanao ny fitadiavana, saingy tsy nahitam-bokany izany nandritra ny tontolo andron’ny Alarobia. Ny marainan’ny Alakamisy teo vao nipoitra tao anaty rano ny razana. Ary efa natolotra ny fianakaviany ao Anosikely atsimo. Anisan’ny ny zavatra mampanontany tena ny mponina aty an-toerana, ny fisian’olona maty amin’ity reniranon’ikopa ity isan-taona.
Ratantely