Andro maromaro lasa izay dia namory mpanao gazety ny tompon’ny hotely St Germain tetsy Antsahavola noho ny fandroahana azy ireo tao amin’ny trano nampiasainy. Voalazany tamin’izany fa tamin’ny fomba tena mamoehatra tokoa ny nanalana azy ireo. Navoaka sy nopotehana ny entana ary voalaza fa nisy ny vola very. Be sandry maro no nanao izany, hoy hatrany izy ireo niresaka tamin’ny mpanao gazety. Amin’izao fotoana izao, mahafantatra ny rehetra fa ilay tompon’ny trano nandroaka azy ireo dia manofa trano amin’olon-kafa koa eny amin’ny faritra Ambohibao. Voalaza fa tena manao izay tiany hatao izy. Na dia mpanofa mantsy aza izy dia bodoiny ho azy avokoa ny toerana tokony hipetrahan’ny fiaran’ireo mpiara-manofa aminy. Niakatra fitsarana ny raharaha. Nivoaka ny didy ary dia resy izy. Nandeha teny an-toerana ny iraky ny “huissier” nanatitra ny taratasy mandidy azy hiala. Hatramin’izao anefa, voalaza fa tsy noraharahiany izany. Ny voavao fantatra avy tamin’ny didin’ny tiribonaly hatrany no nahafantarana fa mpitandro filaminana avy ao amin’ny G6 no mandray ny taratasin’ny “huissier” ary io no manao sonia milaza fa voaray. Tsy mbola notanterahany anefa izany didy izany hatramin’izao. Izy izay voalazan’ny didy fa tsy manana “droit et titre” amin’io toerana io.
Nangonin’I r.s.