- Publicité -
vendredi, décembre 5, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversSyndikan’ny « Paramed » eto Toamasina : Nampiseho firaisan-kina amin’ireo namany manerana...

Syndikan’ny « Paramed » eto Toamasina : Nampiseho firaisan-kina amin’ireo namany manerana ny nosy

Natao androany ny fiarahan’ireo mpitsabo mpanampy sy mpampivelona rehetra menerana ny nosy, mikasika ny fiarahan’izy ireo amin’ireo namany lavo sy naratra ary voaolana noho ny hetraketraky ny jiolahy eny amin’ireo toeram-piasan’izy ireo lavitra ny tanan-dehibe. Isan’ny nilanja sora-baventy milaza izany famonoana sy fandratrana izany koa ireo teto Toamasina, hetsika natao tao an-tokotanin’ny hopitaly kely misy ny biraon’ny talem-paritry ny fahasalamana Toamasina izany. Nomarihan’ireo mpitsabo mpanampy sy mpampivelona ireto fa tsy azo ekena izany famonoana ny naman’izy ireo izany na inona na inona antony, satria matoa mandeha any lavitra any izy ireny dia noho fahasalamana ho an’ny vahoaka, noho ny fitsaboana ny marary any anaty ravinkazo any, ary noho ny fitiavan-tanindrazana ananan’ireo mpitsabo mpanampy sy mpampivelona ireo ihany koa. Ny tena hita amin’izay olana izany eto Toamasina, hoy ireo Syndika ireto, dia ny fandrahonan’ny lehibe amin’ireo mpitsabo mpanampy sy mpampivelona, ny vava tsy ambin’ireo marary sasany, ary ny asan-jiolahy mpamaky trano. Raha ny eto Toamasina dia miisa 400 eo ireo mpiasam-panjakana mpitsabo mpanampy sy mpampivelona, ka isan’ny nitarainan’izy ireo ny zoma teo koa ny tsy mbola nahatafiditra ilay vola fanampiana nolazain’ny filoham-pirenena hampidirina anaty karaman’izy ireo noho ny asa mafy nataon’izy ireo nandritra ny fiatrehana ny coronavirus. Nambarana mantsy fa tokony ho amin’ity volana aogositra ity no ampidirana izany anaty karama, nefa misy milaza ireo efa nahita ny taratasim-bola fandraisany karama fa mbola tsy ao anatiny izany vola namabran’ny filoham-pirenena izany. Koa anaovan’izy ireo antsoavo amin’ny minisitry ny fahasalama vaovao sy ny minisitry ny tetibola sy ny vola ny hampiditra izany ao anatin’ny karaman’ireo mpitsabo mpanampy sy ireo mpampivelona malagasy.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici