- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversAntsiranana : Tovolahy iray tratra teo am-pangalarana Tuc-Tuc

Antsiranana : Tovolahy iray tratra teo am-pangalarana Tuc-Tuc

Lehilahy iray, 21 taona, efa fanta-daza amin’ny resaka halatra Tuc-Tuc na Bajaj ao an-tampon-tanànan’Antsiranana no voasambotry ny Polisim-pirenena avy ao amin’ny CSP2 Antsiranana ny alin’ny alarobia 19 aogositra 2020 teo. Teo am-pamelomana ity fiara ity mihitsy izy no tratra noho ny fampandrenesana voarain’ny polisy ara-potoana.  Tokony ho tamin’ny 08 ora alina no naharay antso avy amin’ny mpamily ity Bajaj ity ny Polisy. Nambaran’ilay niantso moa fa raha nivoaka nisakafo teo amin’ny manodidina ny Polyclinique SCAMA ny tenany dia nahatsikaritra lehilahy iray nijokojoko mikasa ny hangalatra ilay Bajaj ary mbola eo am-panaovana ny asa ratsiny. Tsy niandry ela ny polisy fa nidina teny an-toerana avy hatrany. Io tokoa ilay ratsy fa mbola teo am-pamelomana ilay Bajaj ka dia noraisim-potsiny. Nandritra ny fanadihadiana azy dia niaiky ny helony izy. Fantatra ihany koa fa efa mpamerin-keloka ralehilahy, ary vao nivoaka ny fonja izy izao tratra izao indray. Naiditra am-ponja vonjimaika avy hatrany moa ity lehilahy ity rehefa natolotra ny Fampanoavana ny 20 aogositra teo.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici