- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversFikambanana RMDM : Voafidy ny mpikamban’ny Birao RMDM Atsinanana

Fikambanana RMDM : Voafidy ny mpikamban’ny Birao RMDM Atsinanana

Taorian’ny fametrahana ny biraon’ny RMDM Toamasina nataon’ny mpikamban’ny RMDM foibe, dia nanana andraikitra fananganana ny biraon’ity fikambanana ity eo anivon’ireo faritra telo eto Toamasina izy, dia ny faritra Analanjirofo, ny faritra Atsinanana, ary ny faritra Alaotra-Mangoro. Voatsangana ny sabotsy 22 aogositra teo ary ny teto anivon’ny faritra Atsinanana, ka lany ho filoha tamin’ireo olona 12 nirotsaka tamin’izany Atoa Randriamamonjy Clébert avy amin’ny RDR. Voafidy ho filoha lefitra Atoa Chan Hong Claude avy amin’ny MJF, ary voafidy ho sekretera jeneraly kosa Atoa Philémon avy amin’ny TIM. Taorian’ny fifidianana natao ny sabotsy teo dia nilaza avokoa ireo nirotsaka ho filoha tsy lany fa vonona izy ireo hiara-miasa amin’ny filoha lany, noho ny tombontsoam-pirenana sy ny vahoaka malagasy. Mijanona ho mpanohitra ny mpitondra sy ny fitondrana izy ireo, saingy kosa tsy manohitra be fahatany fa manohitra araka ny lalàna sy araka ny zava-misy ary manara-drafitra. Voafidy koa ny RMDM ao amin’ny faritra Analanjirofo izay efa natao ny volana marsa tany ho any, ka lany ho filoha tamin’izany Atoa Rosa Jules Ferdinand avy amin’ny Tsimialonjafy, filoha lefitra Atoa Harison Serge Fabrice avy amin’ny TIM, ary ny sekretera jeneraly kosa Atoa Marodady Inné avy amin’ny HVM. Eo am-piketrahana ny fifidianana ho an’Alaotra-Mangoro ny mpikambana eo anivon’ny RMDM Toamasina. Ny fihibohana sy ny hamehana ara-pahasalamana no tsy nahafahan’ireo mpikambana tao aminy nanao izany fifidianana izany teo aloha.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici