- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversFanafihana « cash point » : Karohina fatratra i « Ndaty »

Fanafihana « cash point » : Karohina fatratra i « Ndaty »

Efa maty voatifitra ny namany, i « Ndaty » kosa sisa na Ratahinjahanary Velomaro Tody Albert no mbola miriaria any. Izy ireo dia voalaza fa anisan’ireo atidoha nikotrika ireo fanafihana nitam-piadiana nisesisesy teo an-drenivohitra. Namoahana taratasy fampikarohana ity farany, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny polisim-pirenena.

Mbola mitohy hatrany ny fanadihadiana ataon’ireo tompon’andraikitra amin’izany mahakasika ny fikarohana ireo olon-dratsy tompon’antoka tamin’ireo fanafihana mitam-piadiana teto an-drenivohitra, izay nahalasibatra ireo toerana fangalàna vola, na « cash point », mpamongady ary fivarotana lehibe sasantsany, volana vitsy lasa izay. Raha ity i Ndaty ity dia voalaza fa izy no tao ambadik’ilay fanafihana nahavoatifitra ny tompon’ny cash point tetsy Ambohidahy Ankadindramamy.

Ny mombamomba an-dRatahinjanahary Velomaro Tody Albert, fantatra amin’ny anaram-bositra hoe « Ndaty », araka ny hita tao amin’ity taratasy fampikarohana lah: 725/MSP/SG/DGPN/DSP/CC.SP.TANA/SUT.20, nosoniavin’ny tompon’andraikitra ny 22 aogositra lasa teo dia : izy dia teraka ny 05 aogositra 1988 tao Soavinandriana Antananarivo, zanak’Atoa Tody Albert sy Ramatoa Bao Ndrama. Tao Ambatomaro, lot II G 10 bis XI no adiresy nahitàna azy farany ary tsy hita popoka intsony hatreto. Vesatra maromaro no anenjehana ity farany : fanafihana mitam-piadiana, fikambanan-jiolahy, firaisana tsikombakomba amin’ny olon-dratsy, sns … Araka ity taratasy fampikarohana nivoaka ny sabotsy lasa ity moa dia entanina ireo manam-baovao momba azy na mety hahafahana misambotra azy mba hampilaza haingana ny mpitandro filaminana akaiky azy ireo na ny polisin’ny Sut etsy Tsaralalàna ao amin’ny laharana 0340599847.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici