- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversSava : Rongony 360 kilao sarona

Sava : Rongony 360 kilao sarona

Nisesisesy mihitsy tato ho ato izay ny fahatratrana ireo mpanao trafikan-drongony. Tany amin’iny faritra Sava iny, ny herinandro teo dia rongony manodidina ny 360 kilao indray no sarona tao amin’ny distrikan’i Vohemar.

Ireo zandary avy amin’ny zana-tobim-paritra Andraifainkona no angady nananana izao vokatra izao, rehefa nisy angom-baovao azon’izy ireo mahakasika ny fisian’ny andian’olona mampiahiahy mitaona entana isan-karazany. Nidina avy hatrany tany an-toerana izy ireo rehefa nahazo ny vaovao. Nisy ny fanaraha-maso, fikarohana ary fitsongoana dia an’ireo olona voalaza fa nampiahiahy. Vokany, ora vitsy taorian’ny fidinana tany ifotony no nahatratrana ireo. Lehilahy iray izay isan’ireo olona noahiahiana fatratra ho tao anatin’ity trafikan-drongony ity no nosakanana ary nosamborina raha mbola somokotra izay tsy izy nibata ireto entana amin’ny gony maromaro tao amin’ny tanàna antsoina hoe Antanimbaribe, fokontany Andravany, kaominina Amboriala, niaraka tamin’ny namany. Tsy afa-nakaiza intsony ingahirainy ary nosavaina teo no ho eo ihany ny entana. Ireo namany kosa, raha ny vaovao azo dia tafaporitsaka, raha vao nigadona fotsiny ireo zandary. Tamin’izany no nahitàna fa rongony maina aman-jatony kilao ny tao anatin’ireo gony. Nandray fepetra avy hatrany ireo tompon’andraikitry ny filaminana nitondra ity rangahy ity teny amin’ny birao mba hanaovana fanadihadiana. Tetsy andanin’izay kosa, nogiazana ireo zava-mahadomelina. Raha ny fanazavàna azo moa dia mbola mitohy ny fanadihadiana any an-toerana, ahafantarana marina izay tena tompon’ireto zava-mahadomelina ireto. Ilay lehilahy tratra kosa efa natolotra ny Fampanoavana tany an-toerana taorian’ny fakàna am-bavany azy teny anivon’ireo mpitandro filaminana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici