- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversKaominin’i Toamasina renivohitra : Miara-miasa ny “Big Beton” sy ny kaominina

Kaominin’i Toamasina renivohitra : Miara-miasa ny “Big Beton” sy ny kaominina

Mahita ny hetsika ataon’ny ben’ny tanàna Rakotonirina Nantenaina Herilala amin’ny fanamboaran-dalana eto Toamasina ny orinasa “Big Beton”, dia nifampiresaka tamin’ny ben’ny tanàna ihany koa fa handray anjara amin’izany fanamboaran-dalana izany maimaim-poana, ho fanatsarana ny tanànan’i Toamasina renivohitra. Tsy niandry ela dia nisy ny fiaraha-miasa teo amin’ny orinasa “Big Beton” sy ny kaominina, ka ny lalana eny Anjoma no namboaran’ny orinasa “Big Beton” amin’izany. Amin’ny alalan’ireo karazam-pitaovana biriky fanao lalana no hapetraka mandritra izany, ka ireo asa azon’ny orinasa dia roa herinandro no anaovan’izy ireo izany, raha ny tenin’ny tompon’andraikitry ny “Big Beton”. Raha ny vinavin’ny orinasa sy ny kaominina dia mety hitatra amin’ny asa hafa koa ny asa atao raha vita ity lalana ao Anjoma ity. Ankoatra izay, mandeha sy miroso ny fanamboaran-dalana eo amin’ny faritry ny “office du Bacc” eto Toamasina izay tena efa simba be. Nitsidika ny fanamboaran-dalana ny ben’ny tanàna, ary nandritra izany no nilazany fa mila hatsaraina ny lalana manodidina an’ity CEG Ratsimilaho izay isan’ny manan-tantara eto Toamasina ity, tahaka ny fanombohan’ny fanamboaran-dalana eny amin’ny Bd Ratsimilaho amoron-dranomasina afaka andro vitsy. Nambaran’ny ben’ny tanàna fa fiaraha-miasa amin’ny ministeran’ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy amin’ny alalan’ny volan’ny “Fond Entretient Routier” ny fanamboaran-dalana atao eto Toamasina ankehitriny. Ny orinasa SMCC avokoa no manao izany araka ny tapaky ny tolo-bidy nataon’ny ministera.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici