Nitrangana loza nahafatesana olona ny fitrandrahana volamena, tao amin’ny fokontan’ Ambodimanga Betsiboka, kaominina Maevatanàna faharoa. Mpianaka roa lahy no maty tototry ny tany, tamin’ny Asabotsy 22 Aogositra lasa teo, tokony ho tamin’ny 11 ora tolakandro no fotoana nisehoan’ny loza. Tavela tany anaty lavaka lalina sahabo ho sivy metatra, izay efa tototry ny tany avokoa ny vatana sy lohan’izy mianaka ireo. Na dia teo aza ny famonjen’ireo olona teny amin’ny manodidina, dia tsy nahitambokan’izany. Raha ny fantatra, dia avy ao amin’io fokontany voalaza etsy ambony, ireo olona roa maty ireo. Araka ny tati-bovao voaray farany, tamin’ny fotoana nanoratana ny lahatsoratra, dia efa nalevina tamin’ny Alatsinainy teo ny razana. Voalaza fa hoan-taonany teo izay no nisian’ity toeram-pitrandraha volamena ity, ary voasambany no nitrangana loza toa izao.
Ratantely