Tsy isany nahazo ireo fanampiana “vatsy tsinjo” sy ny “tosika fameno” teny amin’ny fokontany ireo “4’Mi” napetraky ny kaominina eny amin’ny kianja “Dojo” Soavita, noho ny fitsinjovana azy ireo tamin’ny valan’aretina Coronavirus nataon’ny kaominina. Noho izany dia nisy ny fitsinjovana azy ireo omaly nataon’ny talem-paritry ny mponina, tamin’ny fanolorana fanampiana azy ireo. Nisy ny fanomezana vary 10kgs isaky ny fianakaviana sy menaka iray litatra ary voamaina iray kilao sy sasany. Tsy omaly ihany nefa no hanaovana ny fizarana izany ho azy ireo fa isaky ny herinandro ka efatra herinandro no hizarana izany. Hahazo ny anjarany ihany koa ireo “4’Mi” mpirenireny eto Toamasina raha ny fanazavan’ny talem-paritry ny mponina amin’izao fanampiana avy amin’ny PAM izao. Nomarihan’ny ben’ny Tanana Atoa Rakotonirina Nantenaina Herilala fa tsy azo amidy ny fanomezana nomen’ny PAM sy ny ministeran’ny mponina izao. Tsy indray mandeha ihany mantsy izao fizarana fanampiana izao fa haharitra efatra herinandro be izao. Nahatratra teo amin’ny 80 teo ho eo ireo nahazo izao fanampiana nataon’ny PAM sy ny minister any mponina tao amin’ireo mahantra napetraky ny kaominina ao amin’ny Dojo Soavita izao.
Malala Didier