- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversMarotsipoy Anjozorobe : Voaletra antsy ilay rangahy, nosisihana vato kosa ny fivavian’ilay...

Marotsipoy Anjozorobe : Voaletra antsy ilay rangahy, nosisihana vato kosa ny fivavian’ilay ramatoa

Nampiharan’ny jiolahy ny habibiany tanteraka ireto olona roa, vehivavy sy lehilahy, izay lasibatry ny fanakanan-dalana tany amin’iny distrikan’Anjozorobe iny, tao amin’ny kaominina Marotsipoy. Tsy vitan’ny nalain’ireo olon-dratsy mantsy ireo firavaka sy izay zavatra sarobidy teny amin’izy ireo fa mbola noratraina ihany koa izy ireo. Ilay lehilahy nolerana tamin’ny antsy, ilay vehivavy, izay tsy fantatra hatreto na niharan’ny fanolanana na tsia fa dia nosisian’ireo tsy valahara vato ny tany amin’ny mahavehivavy azy, araka ny angom-baovao azo tany an-toerana.

Ny voalohandohan’ny herinandro teo tokoa mantsy dia nitrannga fanakanan-dalana tany amin’iny kaominina Marotsipoy, (tokony ho 90 kilaometatra miala ny renivohitry ny distrika). Lehilahy iray, izay somary efa nahazo taona ihany sy vehivavy iray, manodidina ny roapolo taona any ho any no niharan’ny fanakanan-dalana, raha iny izy ireo handeha hamonjy ny tananany iny. Andian-jiolahy maromaro, izay nirongo fitaovam-piadiana sy zava-maranitra no fantatra fa nanakana ny lalan’izy ireo ary nitaky izay zavatra sarobidy rehetra tany amin’ireto olona ireto. Somary namaly ary tsy nanaiky nolembenana tamin’izany fandrahonana izany ilay rangahy ka avy hatrany dia noratrain’ireto tsy mataho-tody tamin’ny antsy. Tsy navelan’izy ireo ho afa-maina ihany koa anefa tetsy andanin’izay ilay tovovavy fa mbola nampiharan’izy ireo herisetra  hany ka naratra mafy tany amin’ny mahavehivavy azy. Rehefa azon’izy ireo moa izay nilaina ary vita ny nataony dia nitsoaka toy ny tsy teo ireo olon-dratsy. Olona sendra nandalo tamin’izany lalana izany sisa no nahatsikaritra ireto lasibatra ka niantso vonjy ary nitondra azy ireo tany amin’ny toeram-pitsaboana. Tetsy andanin’izay kosa, nandray an-tanana ny raharaha avy hatrany ireo mpitandro filaminana tany an-toerana, nanao ny fanadihadiana sy nikaroka ireo olon-dratsy.

Fa manjaka tanteraka tokoa ary saika mandry tsy lavo loha ireo mponina any amin’iny distrikan’Anjozorobe iny noho ny firongatry ny tsy fandriampahalemana. Tsy any ambanivohitra io, tsy eo an-tampon-tanana. Raha tsiahivina dia vao herinandro vitsy izay no nataon’ny dahalo fahirano ary saika lasa avokoa ny omby sy vola tao amina tananan’i Masakalina, kaominina Anjozorobe. Andro vitsy taorian’izay dia nandeha indray ny feo fa hiakatra ary hanafika ny tampon-tanan’Anjozorobe mihitsy ny dahalo am-polo lahy, mirongo fiadiana. Tsy tanteraka amin’ny andro voalaza, ary mandrak’ity ny androany moa io fanafihana io kanefa na dia izany aza dia efa mivonona tanteraka ny amin’izay mety ho fahatantarerahan’izany ny eo anivon’ny mpitandro filaminana sy ireo tompon’andraikim-panjakana any an-toerana amin’izao.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici