- Publicité -
lundi, janvier 12, 2026
AccueilFaits-DiversAnkadinondry sakay : Olana ary mandratsy endrika ny fitondrana ny tsy fandriampahalemana

Ankadinondry sakay : Olana ary mandratsy endrika ny fitondrana ny tsy fandriampahalemana

Faritra mamokatra na amin’ny  fambolena na fiompiana na asa tanana na fandraharahana ara-barotra ny ao Ankadinondry Sakay, distrikan’i Tsiroanomandidy, Faritra Bongolava. Indrisy anefa fa isan’izay tratra aoriana ity faritra ity indrindra io kaominina io noho ny tsy fandriampajhalemana. Isan’ny faritra mpiompy ny any Sakay, nefa dia isan’ny anjakan’ny tsy fahandriampahalemana, indrindra eo amin’ny lafinyf halatromby. Misy olona manana valan’omby izay tsy ahitana na inona na inona indraindray. Tampoka eo, feno omby, ary ny eo anivon’ny kaomina no mitsikombakomba  amin’ireo olon-dratsy amin’ny fanadiovana ny omby halatra miditra ao amin’io vala io. Vokatry ny tsikombakomba maloto dia ny olona mitondra ny omby no migadra fa ny tompon’ny vola anadiovana ny omby, mangatsiatsiaka fotsiny. Mitranga izany araka ny fitarainan’ireo mponina any an-toerana noho ny tsy fanjariana eo  anivon’ny fitrantanana ataon’ny tompon’andraikitra voalohan’ny tanàna dia ny Ben’ny Tanàna izany. Miezaka araka izay tratra ny mponina ka azo ambara fa isan’ny Malagasy manan-karena ny maro amin’ny ao Andavinondry Sakay, Voalohany indrindra aloha dia mampihivingivin-doha ny maro ny fivadibadihana loko politika eo amin’Ingahy Ben’ny tanàna. Nolalovany avokoa izay izay antoko teo amin’ny Fitondrana nifandimby teo aloha. Nefa noho izy manambola, dia hainy ny nanampi-maso ny mpitarika ny Mapar tany Bongolava tamin’ny fihodinana faharoa ka izy indray no toy ny olona nanohana tsy misy fepetra an-dRajoelina ary rehefa tonga ny fifidianana ben’ny tanàna, tsy tahotra tsy henatra izy nisalotra ny akanjon’ny IRK (Mapar). Kivy ny mpanohana an-dRajoelina sasany ary vaky vava mihitsy hoe “isan’ny mahavoa ny fitondrana ankehitriny ny manome vahana sy laka ny olon’ny fitondrana nifandimby teo aloha izay tsy nahomby sy tsy tiam-bahoaka”.
Manampatra fahefana

Mampitaraina ny mponina any amin’ity kaomina itay ihany kkoa ny endrika fanamparam-pahefana ataon’ity Ben’ny Tanàna ity. Amidiny amin’izay manam-bola ny tanim-panjakana midadasika, ary miendrika kolikoly mihitsy izanyAmuididinhy amin’ny mpanamobola daholo ny tany mamaokatra eo anivon’ny kaominina. Isan’izany ireo tanin’ny voanjo tamin’ny andron’ny fanjanahantany, Ireto farany izay efa maro ny Malagasy no nanamainty molaly sy nanajary azy. Raha ny lalàna izany, raha misy ny tsy mbola vita titra, dia izay manajary azy no manana tombon-jo hisitraka azy ara-panjakana Olana hafa koa ny momba ny fitantanana ny tsena eo an-tanàna. Voatonina amin’izany ny resaka « pavillons ».  « Halako bika tsy tiako tarehy” no ataon’Ingahy Ben’ny tanàna amin’ny mpandraharaha ara-barotra sasany, ka sahiny Ben’ny tanàna ny mamaritra ny toerana manodidina an’ireny mpandraharaha ara-barotra tsy tiany ireny, mba hananganana trano fivarotra na “pâvillon” ho an’ny Kaomina, hono, nefa hamotehana ankolaka izay tsy tiany », araka ny fitarainan’ny maro.

Ny toerana ao Ankadinondry Sakay anefa dia mazava ny fepetra tany ambadiky ny 40 taona tany fa “hampiasaina sy hajariana fa tsy hamidy” (pour utiliser mais pas pour à vendre). Sahin’ingahy Ben’ny tanàna ny mivarotra iray hetsy na dimy alina na telo alina ariary ny fangitra (lot) iray amin’izany. Araka ny fanazavana dia efa mitondra izao raharaha izao eny anivon’ny fahefana mahefa ireo vahoaka mahatsiaro ho voan’ny Tsindry hazolena ka ho hita eo izay ho tohiny. Manoloana izany ehetra izany dia miangavy ny fitondrana foibe ny mponina mba hampanao fanadihadiana any an-toerana raha tena te hahafantatra ny zava-misy marina any.

 T.M.

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici