Efa misy ireo olona atao fanadihadiana, ireo olona miasa amin’ilay sampan-draharahan’ny ladoany, misy raharaha hosoka, fialana fandoavana haban-tseranana any Toamasina.
Vao omaly ny omaly ity raharaha ity : misy karana iray mpanafatra entana, efa manafatra entana foana izy io fa manambaka ny Malagasy, volam-panjakana betsaka no very an-jatony tapitrisa maromaro, efa fanaony io fa izao izy vao tratra, noho ny ezaka ataon’ny sampan-drarahan’ny ladoany amin’ny alàlan’ny fanaovana “contre visite”.
An-tapitrisany. Araka ny vaovao voaray teo am-pelatanan’izy ireo, dia “tele ecran plat” tao anaty “container” no tsy nanaovana fanambarana. Mati- antoka be ny fanjakana sy ny fadin-tseranana, satria dia aman-jatony ny tele tsy nanaovana fanambarana. An-tapitrisany maro ny haba tokony haloany amin’ny ladoany.
Contre-visite. Ny entana no tratra fa ny tompon’antoka dia ny famotorana no hahafantarana azy. Tamin’ny “contre visite” natao afakomaly tao amin’ny Port-I Toamasina no nahatrarana ity fanambarana hosoka ity. Mety fomba fanao mahazatra, na ny mpandraharaha na ny mpiasa sasantsasany; izay zatra manao kolikoly. Matahotra handoa “frais de magasinage” be loatra indraindary ny mpanafatra entana dia voatery manao “izay hifanarahana”.
Famotorana. Eo anivon’ny ladoany, dia misy ihany ireo te-hanao lalan-dririnina ireo mieritreritra, fa ho tompon’ny ladoany sy ho tompon’ny fandraharahana ohatr’io zavatra tratra io. Ny famotorana moa dia mandeha amin’izao fotoana amin’ireo mpamoaka sy mpanafatra entana, efa mandeha amin’ny ambaratongany, efa mihoatra ny 4 no natao famotorana any Toamasina. Famotorana izay ataon’ny brigady misahana ny heloka amin’ny ladoany.
Isa ahena. Ilay izy izany, tele ihany no anaovany fanambarana fa ny any amin’ny isany no ahenany, raha 600 isa ohatra no ao anaty container dia lazainy hoe 100 na 200 dia ny 500 izany, na ny 200 miditra fotsiny. Dia ireo entana tsy nanaovana fanambarana no ifanarahana amin’ireo tomponandraikitra dia samy mahazo ny anjarany avy eo, na ny tompon’andraikitra, na ny mpamoaka entana, na ny mpanafatra indrindra indrindra, fa ny fanjakana izany 0 ny azy.
Tambazotra. Efa tena “réseau” na tambazotra mihitsy ity tratra ity, izay lalana heverin’izy ireo hampanankarena azy, nefa tokony ho volam-panjakana ilay izy. Izay tsy manao kolikoly indray no ilan’ny sasany vaniny, fa ny mpanao dia mandeha ho azy. Mikasika ity vaovao any Toamasina ity, container 40 pieds, tele no ao anatin’ilay izy dia fanambarana isa sandoka sy lazaina, fa tele taloha ilay somary mivohitra ireny ny vodiny, ka ireny dia vitsy no tafiditra fa raha ilay ecran plat fisaka dia marobe no tafiditra.
T.M