- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversTsiroanomandidy : Nanolana zazavavy 14 dia nodorany ny tranon’ilay zaza

Tsiroanomandidy : Nanolana zazavavy 14 dia nodorany ny tranon’ilay zaza

Ankizivavy kely iray vao 14 taona monja no niharan’ny fanolanana, tany amin’iny faritry Bongolava iny. Nangataka raharaham-pihavanana anefa ilay tovolahy nanao ny asa ratsy ary neken’ny fianakavian’ny an-daniny. Tsy vita anefa, fa taty aoriana may ny trano nipetrahan’io ankizivavy io ary nahiahiana tamin’izany ilay tovolahy.

Araka ny fampitam-baovao azo, dia ankizivavy kely iray vao 14 taona ary mbola mpianatra tamina sekoly ambaratonga faharoa fototra, no niharana fanolanana; izay nataona tovolahy iray teo an-tananan’izy ireo ihany. Tsy fantatra mihitsy ny zava-dratsy nataon’ity farany, raha tsy nitondra vohoka noho izay fanolanana nahazo azy izay ilay ankizivavy. Nony fantatra ny rain-janany, dia niezaka ny nifampiraharaha tamin’ny fianakavianan’ilay zazavavy  ny  fianakavian’ilay tovolahy izay marihana raha ny vaovao azo, fa manana ny maha izy azy eo an-tanana. Nanaiky izany iretsy an-kilany, saingy tsy maintsy mandray ny adidiny kosa ilay tovolahy nanolana sy nahabevohoka zaza tsy ampy taona. Nony taty aoriana, naneho ny maha ratsy toetra azy ilay lehilahy ary tonga hatramin’ny fampijaliana ilay vehivavy. Nanapa-kevitra ny hiditra ny fianakavian’ny vavy ka ny hampisaraka ny roa tonta. Andro vitsy taorian’izay anefa, nitrangan-javatra mampahonena indray iny avy aty amin’ny vavy, satria dia may kila hotohoto  tsy nisy noraisina intsony ny tranon’ilay vehivavy.

Nivantana avy hatrany tany amin’ilay lehilahy  nahiahian’ny rehetra. Satria raha ny voalaza dia toa hoe izy no hita farany nihaodihaody teo amin’ilay trano talohan’ny nahamay azy. Tsy nihanona intsony tamin’ny fanaovana raharaham-pihavanana ny fianakavian’ilay vehivavy lasibatra, fa nampiakatra ny raharaha teny anivon’ny tomponandraikitra. Nandray an-tanana izany avy hatrany moa ireo mpitandro filaminana, ary efa nalefa teny anivon’ny fitsarana izany taorin’ny fakana am-bavany ireo voarohirohy tamin’izany, omaly raha ny fampitam-baovao azo.

Nangonin’i m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici