Ankizivavy iray, izay hita ho very saina no hitan’ny olona nirenireny teny amin’iny faritra Andohatapenaka iny. Lehilahy iray nilaza azy ho mpiasan’ny Fitsarana etsy Anosy no hoe « nangoraka » ka nilaza ny hitondra azy any amin’ny polisy. Tsy izay anefa no nitranga. Nentiny teny Antaninarenina ilay ankizivavy ary nampiharany ny filan-dratsiny !
« Nisy tovolahy iray nanao « publication » tao amin’ny facebook ny zoma hariva, fa nisy tovovavy iray somary very saina hitan’izy ireo tetsy Andohatapenaka ary efa nitangoronan’ny olona ». Taorian’io dia nisy lehilahy iray nitondra moto anisan’ny nitangorona teo amin’ireo olona, nilaza ny hanolo-tena hitondra ity tovovavy ity any amin’ny biraon’ny polisy etsy 67ha. Izy rahateo nilaza ny tenany, fa mpiasan’ny Fitsarana, ka dia natokisan’ireo fokonolona nangoraka ity tovovavy kely. Ilay tovolahy nanao filazana tamin’ny Fb kosa dia nilaza ny hanaraka ity lehilahy ity avy ato aoriana, izy sy ny namany. « Nolazain’izy ireo tamin’izany, fa toa nivily lalana nankany Ampasika ilay moto nitondra ilay tovovavy ka nanomboka teo, dia tsy hita intsony ny nalehan’ilay moto nitondra ilay tovovavy rehefa tonga teny amin’ny biraon’ny Polisy izy roa lahy ».
Trangan-javatra nampiahiahy avy hatrany ! Teo no eo ihany dia nandray an-tànana ny raharaha ireo tompon’andraikitry ny polisy ka nanokatra fanadihadiana hikarohana ilay lehilahy nilaza ho mpiasan’ny fitsarana sy ilay tovovavy kely nentiny, tsy fantatra ho aiza na aiza. Rehefa nanao fikarohana rehetra ireo mpitandro filaminana dia re fa misy moto mitovy amin’ilay karohina eny amin’iny faritra Sabotsy Namehana iny. Natao ny fanadihadiana teny an-toerana ka tra-tehaka ilay tovolahy nitondra azy, izay tsy iza tokoa fa ilay lehilahy nilaza ho mpiasan’ny Fitsarana nitondra ilay tovovavy. Ary ity farany mbola nentiny tao aoriana. Nentina natao fanadihadiana avy hatrany ity farany ka niaiky ihany nony farany rehetra tratr’ireo fanontaniana rehetra napetrak’ireo mpanao famotorana. Fantatra tamin’izany, hoy hatrany ny fampitam-baovao azo, fa tsy nateriny akory tany amin’ny kaomisaria ity tovovavy ity fa nentiny nanaraka azy tany Antaninarenina. Nampiharany ny filàny nandritry ny alina tontolo ary ny marainan’ny sabotsy teo vao io tratran’ny polisy io. Asa angaha saika mbola hoentiny aiza ity tovovavy ity. « Voamarina fa voaolana tokoa ilay tovovavy ary ilay lehilahy nitondra azy no nahavita izany », hoy hatrany ny polisy. Tetsy andanin’izay rehefa nofotopotorina mahakasika ny maha mpiasan’ny fitsaràna azy ity nahavanon-doza ity, dia fantatra fa mpiandry vavahady fotsiny ihany eny amin’ny Lapan’ny fitsarana. Natao andrimaso avy hatrany moa ity lehilahy, ary miandry ny fotoana hanolorana azy eny amin’ny « toeram-piasany », izay inoana fa tsy ho ela …
m.L