- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversAmbolomadinika Toamasina : Hain-trano mahatsiravina, olona roa maty nianjeran’ny « parpaing »

Ambolomadinika Toamasina : Hain-trano mahatsiravina, olona roa maty nianjeran’ny « parpaing »

Nitrangana hain-trano tao Ambolomadinika ny androny sabotsy maraina teo tokony tamin’ny 08ora tany ho any. Raha ny filazan’ny tompon-trano dia avy niantsena izy avy eo nisakafo maraina no nisy olona nampandre azy ireo, fa may ny tranony, ka taorian’izay vao nikoropaka ary niantso mpamonjy voina sy mpamonjy hain-trano. Ny fanazavana no nahalalana, fa “court circuit” no niteraka izao hain-trano izao izay may 100% ilay trano sy ny fanaka tao anatiny raha ny filazan’ny mpamonjy voina sy hain-trano azy. Misy enina ny mpanofa tao amin’ity trano may ity izao izay samy traboina avokoa ankehitriny. Nisy tranga niseho koa anefa nandritra ny hai-trano izao ity, satria nahitana faty olona roa sy faharatrana olona iray  nianjeran’ny “parpaing” nandritra izany. Nisy trano vao amboarina mantsy teo akaikin’ity trano may ity, ka noho ireo olona tao anatin’ilay trano nijery ny fahamaizana nitranga nefa niankina tamin’ilay rindrina mbola tsy vita, dia nihotsaka izany ary nianjera tamina mpandalo avy niantsena  roa izay maty avy hatrany. Ankoatra izay nomarihan’ny lehiben’ny sampana mpamonjy voina sy hain-trano Atoa Charles Desiré, tsy  izy ireo no nahatara ny fomba famonjena, fa ny lalana fidirana tao amin’ilay trano may no tsy nisy. Voatery nampiasa ny teknika “Devidoire” manana fantsona 800m izy ireo nandritra izany, ka izao avotra izao ireo trano manodidina ilay hain-trano nitranga. Nanafatra Atoa Charles Desiré lehiben’ny sampana mpamonjy voina sy hain-trano, fa ilaina ihany ny fanokafan-dalana idiran’izy ireo hamonjena ireo olona mila azy, ka nanao antso avo ho an’ny rehetra mba hanaja izany lalana izany.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici