- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversFanafihana mitam-piadiana eto an-dRenivohitra : Telo lahy, jiolahy rain-dahiny nadoboka eny  Tsiafahy, vehivavy...

Fanafihana mitam-piadiana eto an-dRenivohitra : Telo lahy, jiolahy rain-dahiny nadoboka eny  Tsiafahy, vehivavy iray nalefa eny Antanimora

Niainga tamina fanadihadiana taorian’ny nisiana trangana fanafihana mitam-piadiana, teny amin’iny faritra Ivato iny, no nahasamboran’ny pôlisy jiolahy rain-dahiny iray. Ity farany avy eo no nanoro ny namany , izay fantatra araka ny tatitra azo avy tamin’ny pôlisim-pirenena hatrany, fa vehivavy ny iray, ary voalaza fa sakaizan’ireo jiolahy no sady mpiray tsikombakomba amin’izy ireo.

Ny faran’ny herinandro lasa teo no nahasamborana azy ireo, raha ny voalazan’ny tatitra hatrany. Ny alarobia lasa teo iny tokoa mantsy, dia nitrangana fanafihana mitam-piadiana tao Ambodirano Ivato. Nandray an-tanana ny raharaha avy hatrany ny avy eo anivon’ny pôlisy misahana ny ady amin’ny heloka bevava sakelika fahefatra etsy Anosy, ary nanatanteraka ny fanadihadiana rehetra hikarohana ireo nahavanon-doza. Tsy niandry ela, fa ny fotoana nidinan’ireo tompon’andraikitra teny ifotony no ela dia voasambotra ny lohandohany tamin’ireo mpanafika, ny ampitson’ny fanafihana. Taorian’ny fakàna am-bavany azy, dia nanoro ny « mpiara-miasa » aminy izy ka tsy niandry ela ihany koa ny fisamborana azy ireo. Tsy nanaiky mora izany moa ireto farany ka nisy mihitsy ny fifandonana sy fifampitifirana teo amin’ireo jiolahy sy ireo mpitandro filaminana, ka naharatrana ny iray tamin’ireo olon-dratsy, izay niafara tamin’ny fisamborana ny sasany tamin’izy ireo izany. Marihana, fa nisy hafa ihany tafatsoaka izay nitondra ny basy mahery vaika fampiasan’izy ireo amin’ny fanafihana ataony. Fantatra tokoa mantsy, raha ny fampitam-baovao azo hatrany, fa saika efa nampitondra faisana toerana maromaro teto an-dRenivohitra izy ireo, tamin’ny alalan’izany fanafihana mitam-piadiana izany. Raha tsy hiteny fotsiny afa-tsy ilay fanafihana nitranga tetsy Avaratr’Antanimora ny faran’ny volana jolay lasa teo.

Ny alatsinainy lasa teo no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana izy efatra mianadahy mpanao fanafihana rain-dahiny ireto, ka izao nadoboka eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy sy Antanimora izao aloha mandra-piandry ny fotoam-pitsarana azy ireo.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici