Lehiben’ny dahalo iray, mpanao fanafihana mitam-piadiana no maty voatifitry ny mpitandro ny filaminana tany Ankadirano, kaominina Mangabe, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna ny farany herinandro lasa teo. Sarona nandritra izany ihany koa ny moara sy basim-borona ary ireo omby misa 11 vao nangalariny. Izany dia noho ny fiaraha-miasan’ny zandary sy ny fokonolona. Anisan’ny fomba fiasa ahazoana vokatra tsara toy izao ny fanomezam-boavao marim-pototra avy amin’ny mponina. Raha ny fanazavana dia zandary avy ao amin’ny » Poste Fixe Managabe » no misahana ny fanenjehana an’io dahalo io. Heno mialoha mantsy fa nitondra omby nagalarina avy any Ambatoboeny hianatsimo ny lehilahy. Nisy avy hatrany ny sakana nataon’ny zandary, ary rehefa nahatazana izany izy dia nitsoaka, ka raikitra ny fifananejehana sy ny fifandonana. Teo no nahafaty voatifitra azy, tamin’izany. Araka ny fanazavana azo dia nogiazina natao « vala forera » ao Mangabe ireo omby ireo miandry ny tompony. Mbola mitohy kosa ny fikarohana ataon’ny mpitandro ny filaminana ireo jiolahy anaty lisitra maintin’izy ireo.
Ratantely