- Publicité SW45 -
mercredi, janvier 15, 2025
AccueilFaits-DiversTanà : Misesy ny matin'ny moto

Tanà : Misesy ny matin’ny moto

Vao nanomboka ny volana, dia efa betsaka sahady ny mpitaingina kodiaran-droa  lavon’ny lozam-pifamoivoizana teto an-dRenivohitra. Isan’andro dia nisy hatrany ny sarin’ny loza izay nahafaty olona ny ankamaroany ka niparitaka eran’ny tambajotram-pifandraisana. Samy manana ny heviny ny olona ary tao no nahita fa tsy mitandrina sy misetrasetra loatra ny mpitaingina moto. Tao koa anefa ny nahatsikaritra, fa ny fiarakodia dia tsy mba miasa saina amin’ireny kodiaran-droa ireny ary tsy mandefitra izany ny mpamily sasany. Mety ho samy marina avokoa izany fa ny tena mivaingana aloha dia tsy tena niomana tamin’ny fifamoivoizan’ny kodiaran-droa ny fotodrafitrasa teto Antananarivo. Ankoatra ny làlana izay kely, dia mbola manampy trotraka koa ny fisian’ny lavaka etsy sy eroa. Maro ireo izay niala lavaka dia niafara tany ambanin’ny fiara. Etsy an-danin’izay dia malalaka loatra koa ny lalànan’ny fifamoivoizana ho an’ny kodiaran-droa, indrindra fa ny scooter : tsy mila fahazoan-dàlana mamily raha latsaky ny 100cc. Vokatr’izany, dia mitaingina avokoa na ny zaza tsy ampy taona sy ny adolantsento aza. Tsy voatery mahafehy ny lalànan’ny fifamoivoizana akory dia efa mivezivezy eny an-dalambe rehetra eny. Ny 100cc no mihoatra indray dia betsaka ny manova ny taratasy ho latsak’izany ny tanjaky ny moto, amin’izay dia tsy mila fahazoan-dàlana ny mamily ny mpitaingina. Izany rehetra izany no mitambatra no isan’ny mampisesy ny lozam-pifamoivoizana etsy sy eroa. Mila dinihin’ny mpitondra fanjakana, satria mitady ho lasa ambana ho an’ny fiarahamonina. Indrindra koa mba ho fiarovana ny ain’ny mpampiasa kodiaran-droa.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici