- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversMaevatanàna : Notafihan’ny dahalo ny tranon'ny sefom-pokontany

Maevatanàna : Notafihan’ny dahalo ny tranon’ny sefom-pokontany

Sesilany indray ny vaky trano eny amin’ireo fokontany maromaro eto Maevatanàna an-tapon-tanàna. Tokantrano maro no lasibatra, hatramin’ny fiandohan’ny volana Aogositra sy ny volana Septambra no mankaty. Ankoatra ny fitaovan-dakozia sy ny vorona isan-karazany, dia alain’ireo mpangalatra ny fahitalavitra sy ireo fitaovan-tokantrano lafo vidy, toy ny solosaina. Tsy re tsaika ireo mpangalatra raha ny voalazan’ireo niharam-boina, fa ny trano efa voaroba sy ireo entana banga amin’ny maraina vao samy mikoropaka ny rehetra. Raha ny tao Ambodimadiro izao, dia kojakojan-dakozia samihafa kosa no nasesin’ireo olon-dratsy.Ny fokontanin’ Andranomangatsiaka dia nataon’ireo olon-dratsy nahita, ny tranon’ny filoham-pokontany vao tsy ela akory izay, ka lasa nandritra izany ny:  » Solosaina iray sy Emprimanty » no fantatra fa very tao anatin’ny alina iray tamin’ny farany herinandro teo. Ny fokontanin’Antanambao sy Ambatofotsy no andrenesana tranga vaky trano sy hala-botry matetika. Manao antso avo amin’ny tompon’andraikitra mahefa ambony sy ny mpitandro ny filaminana mba hijery akaiky ny resaka vaky trano; izay mateti-pitranga eto Maevatanàna ny mponina.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici