- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Lehilahy malaza ho mpangalatra môtô voasambotra tao Ankirihiry

Toamasina : Lehilahy malaza ho mpangalatra môtô voasambotra tao Ankirihiry

Mba nihena indray aloha ny tebitebin’ireo mpampiasa moto sy fiarakodia ao an-drenivohitr’i Betsimisaraka ao noho ity vokatra azon’ny polisy ity. Ankoatra ny halatra irony fiara fiarakely fitateram-bahoaka antsoina hoe  « Bajaj » na tuc-tuc dia isan’ny asan-jiolahy tena mirongatra any an-toerana tokoa ny halatra moto. Lehilahy iray izay efa malaza ho mpangalatra moto sy mpamaky fiara no voasambotry ny polisy avy amin’ny Compagnie urbaine d’Intervention (CUI) Toamasina, ny Alarobia 2 septambra lasa teo. Tanteraka izany taorian’ny naharaisany fitarainana mikasika an’ity lehilahy ity, ny teo anivon’ny polisim-pirenena. Nohamafisin’ny loharanom-baovao marim-pototra hafa avy amin’ny olona tsara sitrapo ihany koa izany ka nanampy sy nanamora ny fitadiavana ity olon-dratsy ity. Fantatra tamin’izany, fa eny Ankirihiry no misy azy.Tao aorian’ny fanadihadiana nataon’ny polisy tao an-toerana, dia tra-tehaka tao an-tranony tao Ankirihiry tokoa io lehilahy io, ny marainan’ny 2 septambra teo tokony ho tamin’ny 6 ora maraina. Notanana am-ponja vonjimaika ao Toamasina moa izy rehefa natolotra ny Fitsarana, omaly.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici