Hatao ny talata 15 septambra izao ny fanadinana CEPE ho an’ny faritra Atsinanana, araka ny fandaminan’ny minisiteran’ny fanabezam-pirenena. Efa vonona tanteraka ny eo anivon’ny Cisco Toamasina I araka ny nambaran’ny lehibeny, satria efa vonona miaraka amin’izany koa ireo mpianatra sy ny mpampianatra misahana ny fanadinana. Raha ny fanazavan’ny lehiben’ny Cisco Toamasina I, Atoa Marolahy Joseph, dia miisa 7.429 ireo mpiadina hitraka izany ny 15 septambra ho avy izao. hiparitaka amin’ny efitranom-panadinana 119 izy ireo mandritra izany. Mpampianatra miisa 1.758 kosa no hisahana ny fiambenana sy ny fitsarana ny fanadinana mandritra izany. Maro ny fepetra noraisina amin’izao fanadinam-panjakana izao araka ny fanazavana, eo ny fametrahana ny toerana fanasana tanana ho an’ny mpianatra, eo ny fizarana arotava ho azy ireo, izay tsy an-tery ny fanaovana azy raha toa ka tsy azoazon’ny mpianatra fa izay nentiny avy any an-trano ihany no anaovany, ary ny tsy fahazoan’ny ray aman-drenin’ny mpianatra miditra ny tokotanin-tsekoly anaovan-janany fanadinanana. Misy fepetra noraisin’ny Cisco Toamasina I koa amin’izao fanadinam-panjakana amin’ny fametrahana mpitsabo eny amin’ireo toeram-panadinana lehibe. N#y antony dia ho fisorohana ny trangan-javatra mety hiseho amin’ny mpiadina mandritra ny fanadinana ataony. Raha ny fanazavana hatrany dia herinandro aorian’ny fanadinana ataon’ny mpianatra ny valim-panadinana, mba hahazoan’ireo mpianatra mandray ny fepetra mikasika izany.
Malala Didier