Voasambotry ny sampan-draharahan’ny zandary misahana ny « cybercriminalité » ilay mpisoloky rain-dahiny amin’ny resaka volamena na vato sarobidy sandoka. Ela nitoratorahana ka nahavoa mason’angatra ihany ny farany, araka ny fitenanana.
Efa betsaka ihany ireo lasibatr’ity tambajotra mpisoloky ity, tsy ao anaty tambajotra sosialy, tsy eny an-dalana ary efa vola an-tapitrisany maro no efa lasan’izy ireo tamin’izany. Tsotra dia tsotra ny fomba fiadiny kanefa dia maro ireo tafajoboka : mitondra vovo-bolamena sandoka amin’ny sachet kely izy ireo na vato lazainy fa sarobidy ary manatona an’ilay olona atao lasibatra na mifanome fotoana aminy, raha jono ao anaty « facebook » no ataony. Toa ireo mpisoloky rain-dahiny dia hain’izy ireo tsara ny mandresy lahatra izay olona miresaka aminy, toy ny hoe misy teratany vahiny hividy an’io volamena na vato io saingy tsy mahay miteny gasy ka ilay olona no hifampiresaka aminy. Mody miantso teratany vahiny amin’ny finday ilay olona ary tena mifampiresaka amin’ny teny vahiny tokoa. Milaza ity olona anaty finday fa hoe tsy afaka miakatra hividy an’ilay entana fa raha mety dia tonga dia omena ny ampaham-bola vidin’ny entana ilay tompony ary tazominy any amin’ity lasibatra ilay entana mandra-pahatonga ilay tena hividy azy. Maro tokoa ny roboka satria raha sanatria ka tsy tonga ilay teratany vahiny dia efa manana ilay entana ho takalon’ny vola lasa ilay olona. Diso hevitra anefa fa « sandoka » tanteraka io volamena sy vato io, eny fa na dia talohan’izay aza dia efa nangalàna « mpitsara », izay olona ao anatin’io tambajotra io ihany.
Teo anatrehan’ny fahabetsahan’ny fitarainana voaray dia nanapa-kevitra tanteraka ny teo anivon’ireo mpitandro filaminana hanao fanadihadiana mahakasika io tranga io. Fotoana vitsy taorian’ny nanombohana ny fikarohana izay tena tompon’antoka sy ireo mpiray tsikombakomba aminy dia voasambotra ny lehilahy iray, izay anisan’ny atidoha nikotrika ity tetikady entina hanaovana asa ratsy ity. Tamin’ny famotorana azy moa no nahafantarana fa maro dia maro izy ireo no ao anatin’io tambajotra io ary manana laharana finday maromaro ihany koa mba tsy hahafantarana sy hahatongavana any amin’izy ireo. Misy araka izany ny mpisera, misy mpitsara volamena, misy voalaza fa vazaha mpandray ny entana… saingy izy ihany aloha hatreto no voasambotra ary heverina fa hanaraka tsy ho ela ireo ambiny. Natolotra ny fampanoavana ny alakamisy lasa teo ity lehilahy ity ary nadoboka am-ponja avy hatrany. « Manentana ny rehetra mba ho mailo hatrany ny zandarimariam-pirenena ary indrindra ny mba tsy mora voafitak’ireny tolotra «mora» na «maimaim-poana» amin’ny alalan’ny finday na ny tambajotran-tserasera na ny an’habaka ireny. » hoy ny zandaryy
m.L