Taorian’ny famonoana tamin’ny tifitra ka nahafatesan’ny ben’ny tananan’ny kaominina Ampanihy, teo anoloan ‘ny toeram-piasany ny tapaky ny volana aogositra lasa teo, mitohy hatrany ny fikatsahana ireo izay nahavanon-doza tamin’izany hatramin’izao. Misy araka izany ny ezaka fampandrian-tany arahana fanaovana hazalambo ireo jiolahy tsy mampandry fahalemana iny toerana iny izay iarahan’ireo vondron-kery rehetra misy any amin’iny distrikan’i Miandrivazo sy ny Faritra Menabe iny ankehitriny. Mandray anjara mavitrika amin’izany ny avy ao amin’ny tafika malagasy amin’ny alalan’ireo miaramila avy ao amin’ny ZRPS Bravo izay misahana ny fampandrian-tany any amin’iny faritra iny. Ireto farany dia namoaka sahady ny vokatry ny « opération » izay nataony tato anatin’izay tapa-bolana lasa izay manodidina ity hazalambo hikarohana ny tena tompon’andraikitra tamin’iny famonoana ben’ny tanàna iny. Hatreto, araka ny tatitry ny asan’izy ireo taorian’ny fisavana sy fisafoana ireo kizo sy toerana mafampana amin’ny asan-dahalo any amin’iny faritra Menabe iny. Omby 62 tsy mazava ka natoby tamin’ny toerana iray no azon’izy ireo tao amin’ny kaominina Ampanihy ary efa nankarina ao antampon-tanan’i Miandrivazo mba hahafahan’ireo izay mety ho tompony haka izany rehefa manana ny taratasy fanamarinana. Ankoatra izay, nisy ihany koa basy miisa 17 tsy ara-dalàna voangona ary efa natolotra ny manam-pahefana tandrify izany. Tanteraka izany asa izany, raha ny fanazavana, noho ny fiaraha-miasa tamin’ireo olona tsara sitrapo izay nanome loharanom-baovao marim-pototra. Koa mampirisika hatrany ireo olon’ny fiaraha-monina mba hiara-miasa amin’ny mpitandro ny filaminana ireo miaramila avy ao amin’ny ZRPS Delta mba tsy hisalasala hanome vaovao mba hampandriana fahalemana iny faritra iny. Ilaina hatrany izany, indrindra mba hahitana ny marina momba ilay nahafaty ny ben’ny tanànan’Ampanihy. Raharaha izay efa naharatrana zandary roa nefa hatreto dia mbola miriaria any ireo voalaza fa mety ho tena atidoha nikotrika iny fitifirana olona an-kitsirano iny.
T.M.