Lehilahy iray rain-dahiny tanteraka amin’ny vaky trano sy halatra mitam-piadiana no voasambotry ny polisy etsy Alasora, ny herinandro lasa teo. Fantatra tamin’ny fanadihadiana azy, fa basy tsy tena izy akory no nentina nanao ny asa ratsiny ankoatr’ireo fitaovana famakiany trano.
Antso vonjin’ny olona no nanaitra ireo mpitandro filaminana tamin’io fotoana io, ary nidinana avy hatrany teny an-toerana. « Tabataba sy antsoantso nataon’ny vahoaka teny an-toerana izay nilaza fa misy olona nanafika ary mampiasa fitaovam-piadiana mahery vaika no nahafahan’ny polisin’Alasora nisambotra ity lehilahy ity » hoy ny vaovao. Efa nomanina daholo ihany ny tetik’ady rehetra entina hisamborana io olon-dratsy io, ka tsy niandry fotoana ela tokoa dia voafehy tanteraka ny lehilahy. Tamin’izay fotoana izay no fantatra, fa hay basy tsy tena izy akory, saingy mitovy endrika tanteraka amin’ny basy poleta tena izy no nentin-dranamana mampihorohoro ny vahoaka. Raha ny fantatra mantsy, dia saika izy avokoa no tompon’antoka tamin’ireo fanafihana sy famakiana trano mitam-piadiana nahalasibatra tokantrano maromaro teny an-toerana. Tratra tany aminy kosa ny fitaovana hafa fentiny manao ny asa ratsiny, toy ny: zava-maranitra, pince coupante, barre à pince, sns…. Tamin’ny famotorana azy ihany koa no nahafantatra, fa efa jiolahy ikoizana ny lehilahy ary vao nivoaka ny fonja vao haingana. Anio moa no ho fantatra fa hatolotra ny Fampanoavana izy ka heverina fa handeha hamonjy izany toerana izany indray.
m.L