Toeram-ponenana izay efa tsy miasa intsony satria rava, izay no nanafenana ny rongony marobe milanja 780 kilao. Tao an-tampon-tanànan’Ilakaka no nahitàna izany raha araka ny fanazavana azo avy amin’ny pôlisy. Tsy nisy tratra ireo mpitahiry zava-mahadomelina fa kosa fantatra avy hatrany fa hovarotana ny tanjon’ireo olon-dratsy tamin’ireo. Tsy mitombina mihitsy raha ho filàn’ny olona iray izany 780 kilao izany. Ny mbola andrasana amin’ny fanadihadiana mandeha, ankoatra ny hamantarana ny tompon’andraikitra dia ny hoe varotana ao an-toerana ve sa kosa saika hotaterina any amin’ny toeran-kafa ireo zava-mahadomelina ireo. Nandray ny andraikiny avy hatrany ny polisy ary nogiazana ireo entana. Tsy vitan’izay fa mbola nodorana koa, araka ny fampiharana ny lalàna manan-kery rehefa misy ny tranga toy izao. Anisan’ny tena hivezivezen’ny rongony ny lalam-pirenena fahafito satria anisan’ny sompitr’izany ny any atsimo ary ny mpanjifa be indrindra dia anisany ny eto an-drenivohitra. Azo eritreretina fa nandritra ny fepetra ara-pahasalamana izay nanamafisana ny fisavàna teny amin’ny lalam-pirenena no natao « nihiboka » aloha ireo zava-mahadomelina sao tratra. Tsikaritry ny teo anivon’ny fiaraha-monina anefa izany ary dia io sarona ihany ny niafarany rehefa niampita teny amin’ny mpitandro ny filaminana ny zava-nisy. Karohina ny tompon’antoka.
D.R