- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversFiotazana lavanilina eto Toamasina : Tsy misy afa-tsy 60.000 ariary ny vidin’ny...

Fiotazana lavanilina eto Toamasina : Tsy misy afa-tsy 60.000 ariary ny vidin’ny lavanila masaka

Tena mitontongana noho ny krizy eto amintsika, eran-tany vokatr’ ity coronavirus ity ny vidin’ny lavanila masaka eto amintsika ankehitriny, ka mampitaraina ireo tantsaha satria tsy miverina akory ny hery lany tamin’ny fikarakarana azy. Raha ny fanazavan’ireo tantsaha avy ao Fenerivo Atsinanana dia tsy misy afa-tsy 60.000 ariary ny vidin’ny lavanila masaka any an-toerana amin’izao fotoana izao, raha mbola avo folo na dimy ambin’ny folo heny ny vidin’izany herintaona lasa izay. Nomarihan’ireo tantsaha hatrany anefa, fa tena ao anatin’ny fahasahiranana izy ireo vokatra izany fihenam-bidy ny lavanilina masaka, na manta koa aza izany, satria manao ny ataony koa ireo jiolahy mangalatra azy ireny any an-tsaha ka tsy maintsy ambenana ireo lavanilina any an’ala. Misy aza ireo fikambanana tantsaha voatery manarama miaramila mitam-basy, miara-miambina amin’izy ireo izany lavanilina tsy misy vidiny izany, mba tsy ho lasan’ireo mpangalatra ny kely mba hahazoam-bola ho an’ireo tantsaha. Nitaraina tamin’ny filoham-pirenena sendra nandalo tany an-toerana ireto tantsaha, mikasika ny fijerena ity vidina lavanilina ity, satria raha izao no mitohy dia vola miditra amin’ny firenena ihany koa hihena sy ho potika amin’ity lavanilina mora vidy ity. Milaza ny hijery vahaolana mikasika izany moa ireo tompon’andraikitra, satria mbola hisy ny fifampidinihana miaraka amin’ny minisitry ny varotra sy ny fanjifana ary ny asa tànana, ka ho hita eo ny fepetra ho -raisin’izy ireo mikasika ity fitotonganan’ny vidin’ny lavanilina ity. Ankoatra izay dia saika itovian’ireo faritra ao Analanjirofo avokoa ity vidina lavanilina nitontongana ity, ka mampitaraina koa ireo tantsaha sy ireo mpanangom-bokatra ao Mananara Avaratra, Soanierana Ivongo, sy Maroantsetra, ary Vavatenina.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici