- Publicité -
dimanche, juin 1, 2025
AccueilFaits-DiversMiaramila mpampandry tany : Tsy menatry ny mandrabiraby azy ireo ny dahalo

Miaramila mpampandry tany : Tsy menatry ny mandrabiraby azy ireo ny dahalo

Nisy ny famoriana sy fampiakàrana ireo Lehiben’ny vondrona Zrps (zone rurale priorité de sécurité), miisa efatra aty an-drenivohitra, niaraka tamin’ny Lehiben’ny BIA (Bataillon interarmes) avy ao amin’ny Tafika malagasy. Nihaona sy nifampiresaka nivantana tamin’ny Lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika an-Tanety, ny Jly Rakotoniana Jean Aimé, tao Andranoambo moa izy ireo tamin’izany. Nodinihana sy notapahana tao ireo paik’ady rehetra entina hampandriana fahalemana any amin’ireo faritra izay sokajiana ho mena amin’ny resaka asan-dahalo, izay isan’ny tafiditra ao anatin’ny fandarahan’asan’ny Governemanta. Any amin’ireny toerana ireny mantsy dia tsy menatry ny mandrabiraby ireo lehiben’ny vondrona izay mitarika ireo mpampandry tany any an-toerana ireo dahalo ka tsy maintsy hitadiavana paik’ady vaovao. Ankoatr’izay maro ireo olana sedrain’ireo vondrona manokana mpamandry tany ireto eny am-panaovana ny asany eny, kanefa tsy mikely soroka ary tsy nihemotra na oviana na ovina izy ireo tamin’ireo ambana maro isan-karazany ka nahavita an-tsakany sy andavany ireo andraikitra rehetra nankinina tamin’izy ireo. Marihana mantsy fa isan’ny vain-dohan-draharahan’ireto miaramila ireto ny famakiana ireo kizo sy zohy fiheren’ireo dahalo any amin’ireny faritra mena ireny.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici