- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversKidnapping : Sivy taona taty aoriana, nisy voasambotra indray

Kidnapping : Sivy taona taty aoriana, nisy voasambotra indray

Karàna izay tompon’ny orinasa misehatra amin’ny plastika no nalaina an-keriny teto An-drenivohitra tamin’izany fotoana, tamin’ny 2011. Nisy ny voasambotra ary nidoboka am-ponja any Tsiafahy. Ny herinandro lasa teo koa anefa dia mbola nisy hafa indray voasambotra noho ny raharaha nitovy. Izy no voalaza fa mpamily nandritry ny fanatontosana ny fakàna an-keriny izay nahazoan’ireo vola mitentina maherin’ny roa miliara ariary. Filazana fikarohana izay nalefa momba ny jiolahy iray no nahafahana nahatratra azy. Hafakely anefa satria tsy ilay jiolahy voasoratra tao anatin’ny fampilazàna no azo fa kosa lehilahy nitovy taminy izay noho ny fahaizan’ny mpanao fanadihadiana dia nibaradaka hoazy tamin’ny heloa izay nataony tany aloha tany. Notazomina avy hatrany izy ary natolotra ny fampanoavana vokatry ny fanekeny fa jiolahy ny tenany, mpanatontosa kidnapping. Mbola misy namany tsy latsaky ny telo izay miriaria any ary karohina ankehitriny. Ireny mbola tsy voasambotra ireny matetika no miverina manangana tambajotra indray ary manohy ny asaratsiny. Indrainray koa anefa ireny no ampitazonina ny vola izay azon’ny ekipany noho izy ireo miriaria. Miandraikitra arak’izany ny famelomana ireo izay taraiky am-ponja sy ny vady aman-janany. Midika izany, fa tsara fandaminana ihany ireo jiolahy mpaka an-keriny ary mahavita mametraka paik’ady marolafy, araka ny fisehoan’ny toe-javatra…

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici