- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversMpimasin-dahalo : Nisy roa indray voasambotra, niaraka tamin’ireo ody gasiny

Mpimasin-dahalo : Nisy roa indray voasambotra, niaraka tamin’ireo ody gasiny

Ny iray tany amin’iny faritra Menabe iny ary ny iray tany Ihorombe. Izy roa lahy ireto moa dia fantatra fa mpiray petsapetsa amin’ireo dahalo ary isan’ny mampirisika sy mampirongotra ny tsy fandriam-pahalemana any an-toerana noho ny fitokian’ireo olon-dratsy amin’ny tapa-kazon’izy ireo.

Raha ity tao Menabe ity dia voasambotry ny zandary, ny talata lasa teo tao amin’ny tanàna antsoina hoe Belalanda, ao amin’ny kaominina Analaiva, distrikan’i Morondava. Rehefa nisy ny angom-baovao azo teo anivon’ny zandary mahakasika ny fisian’ny mpimasy malaza ratsy any amin’ity toerana iny fa hoe mpamatsy ody gasy sy moara ireo dahalo dia niroso avy hatrany tamin’ny fanadihadiana ireo tompon’andraikitra. Fantatra tamin’izany ary fa any amin’io toerana voalaza etsy ambony io ingahirainy no monina ka notsidihina tany tamin’io tolakandron’ny talata io. Tratra tao tokoa ny lehilahy izay mbola miravaka soa aman-tsara ny fitafian’ireo « dadarabe » ary mbola teo am-pilalaovana ireo karazan-tapa-kazo sy vatovato isan-karazany. Nentina avy hatrany natao famotorana moa ingahirainy ka tamin’izany no niaikeny tokoa fa efa maro ireo dahalo mpaka ody ao aminy.  « Mpiray tsikombakomba amin’ny andian-dahalo sy mamatsy fitaovam-pamosaviana izy mba hanatanterahan’ny dahalo ny asany », hoy ny eo anivon’’ireo mpanao famotorana.

Fa ankoatra azy dia mpimasy iray ihany koa fantatra fa nadoboka am-ponja avy hatrany ny talata teo, tany amin’iny faritra Ihorombe iny indray. Izy ity indray, raha ny vaovao hatrany, dia tsy vitan’ny mpamatsy ody gasy fotsiny ireo dahalo fa tena mpiray petsapetsa mihitsy amin’ny fangalarana omby. Voalaza mantsy fa any aminy no fanafenan’ireo dahalo ny omby avy nangalariny. Mazava ho azy fa tsy misy taratasy na dia iray akory aza ireo omby ireto fa dia tazomin’ingahirainy ao fotsiny aloha. Nihevitra angamba izy fa maaro azy ny fanafodiny. Rehefa nisy ny vaovao azo teo anivon’ny mpitandro filaminana, ny amin’ny asa ratsy ataony dia notongavan’iretsy farany tao an-tananany tao Andranomanitsy, kaominina Ankily, distrikan’Ihosy ny lehilahy ary tra-tehaka teo, ny herinandro lasa teo. Ny talata teo moa izy no natolotra ny Fampanoavana tany an-toerana ka izao nampidirina am-ponja vonjimaika izao miandry ny fotoam-pitsarana azy.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici