Tsy mandry fahalemana indray ny tanànan’Antsirabe fa dia andro antoandro be nanahary no sahy manao fanafihana ampovaon-tanana ny jiolahy. Omaly tokony ho tamin’ny 12 ora sy fahefany tany no ho any no nisy nanafika ny trano fivarotana finday teo Antsenakely manoloana ny banky BNI. Tsy misy tahotra ireo jiolahy fa dia vonona hanao vy very ny ainy mihitsy angamba satria raha jerena ny manodidina dia toerana maresaka, feno olona mpivezivezy, banky ny manodidina ankoatra ny Hotely sy trano fisakafoanana ary tsy lavitry ny kaomisarian’ny polisy rahateo. Efa-dahy no fantatra fa nanao ny fanafihana ary nisy vehivavy iray nitondra zaza niaraka tamin’izy ireo. Nilaza hividy finday izy ireo ary efa niady varotra mihitsy . Teo am-panisana vola kosa ilay mpivarotra tamin’io fotoana io no somary nivoaka kely hividy sigara, hoy ny fanazavana. Nony niverina anefa ity farany; akory ny hatairany nahita ny vehiveny iray mpiara-miasa aminy nandohalika sy voambana basy tao am-pivarotany. Avy hatrany dia tsindrona antsy nanandrify ny tendany no nasetrin’ireo jiolahy taminy. Nandritra izany efa tapitra noraofin’ireo olon-dratsy ny finday sy ny vola rehetra. Nivoaka mangina toy ireny olon-tsotra ireny ireo jiolahy ary tsy nihazakazaka akory nony tafavoaka. Mbola tafarina ihany ilay mpivarotra na dia nijininika azy ny rà teo amin’ny tendany nanatona tao amina trano fisakafoanana mifanila aminy niantso vonjy. Tsy tana anefa ny ainy minitra vitsy monja taoarian’ny nahatongavany teny amin’ny hopitaly.
Nanao ny ezaka ny mpitandro filaminana hikarohana ireo nahavanon-doza saingy hatramin’ny ora nanoratana dia tsy mbola nahenoana vaovao. Tsy mponina avy eto Antsirabe ireo nanao fanafihana fa mpiavy, hoy ny vavolombelona nahita maso ny zava-nitranga.
Andry N.