- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025
AccueilFaits-DiversSoanindrariny Antsirabe : Lehilahy namaly zandary, tovovavy kely iray maty voatifitra...

Soanindrariny Antsirabe : Lehilahy namaly zandary, tovovavy kely iray maty voatifitra tsy nahy

Zazavavy kely iray vao 16 taona monja no maty voatifitra tsy nahy, vokatry ny hadalana sy habibiana nataona lehilahy iray nifampitolona tamina zandary iray nanao ny asany.

Tao amin’ny fokontany Fierenantsoa  Atsimo, kaominina Soanindrariny Antsirabe II no nisehoan’ity tranga ity, ny Alarobia lasa teo. Tonga teny an-toerana ny zandary handamina disadisam-piaramahamonina tamina fianakaviana iray. Fantatra, fa ady lova no nipoiran’ny fifamaliana teo amina lehilahy iray sy ramatoa voalaza fa renikeliny. Norahonany ho faty ary nambanany sabatra ilay  renikeliny, nambarany mihitsy fa tsy maitsy matiny io renikeliny io. Niezaka niaro tena ilay ramatoa nanao izay tsy hahatafidirany tao an-trano, no sady niantso mpitandro filaminana.

Tonga teny an-toerana ny zandary handamina ny raharaha, saingy ireto farany indray no norahonan’ilay lehilahy. Tsy vitan’izany, fa mbola nihantsy ady tamin’ilay zandary koa io lehilahy io. Voatery nanao tifi-danitra ilay zandary hanamorana ny fisamborana, saingy vao mainka nampiakatra  ny hatezerany izany ka ilay zandary indray no notolominy hakany ny basy. Raikitra ny fifanjevoana, ka tamin’izany no nipoaka tsy nahy ny basy ary niantefa tamina zazavavy kely iray. Voa teo amin’ny feny ilay zaza , noho ny habetsahan’ny rà very dia tsy tana intsony ny ainy. Ankoatra ity zazavavy kely namoy ny iany ity, dia nisy zazalahy kely iray naratra mafy ihany koa.

Sokajian’ny olona eo an-tanana ho efa jiolahy mihitsy moa ity lehilahy namaly zandary ity noho ny fitondran-tenany eo amin’ny fiarahamonina. Efa eo an-tanan’ny zandary  ao amin’ny borigady Andranomadio ny raharaha, ary voatazona ilay lehilahy nahatonga izao famoizana  zaza izao.

Andry N. 

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici