Tsy vitan’ny fifanjevoana teo amin’ny mpitandro filaminana fotsiny ihany ny hetsika nataon’ireo mpianatra omaly teny Ankatso. Araka ny hita teny an-toerana, rehefa nampiato ny daroka baomba mandatsa-dranomaso ireo Emmoreg dia nanararaotra nivoaka ny vavahady ireo mpianatra, narahana tora-bato foana. Novakian-dry zareo tamin’izany, -tsy fantatra na tena mpianatra na mpanararaotra-, ny trano fivarota-mofo an’ny orinasa malaza iray teo ambany teo. Potika tanteraka ny varavaran’ity trano fivarotana ity ary misimisy ihany ireo mofo sy entana very tao amin’ity toerana ity. Araka ny voalazan’ny tompon’io fivarotana io dia nahatratra teo amin’ny 300.000 ariary teo no tontalin’ny entana very, omaly hariva io. Etsy andanin’izay, tsy voafetra ihany koa ny fisian’ireo mpanararaotra, nibata ny entana, mofo tamin’ny gony, sy zava-pisotro tao amin’ity toerana ity. Voalazan’ireo mponina teny an-toerana hatrany fa io no anton’ny tora-bato nifamalian’izy ireo tamin’ireo mpianatra rehefa nampiato ny fanaparitahana ny mpitandro filaminana. Nambaran’izy ireo mantsy fa niezaka niaro io tranom-barotra io ry zareo ka nifamaly tamin’ireo mpanao hetsika. Nandray ny andraikiny avy hatrany ny mpitandro filaminana, niaro ity toerana ity, sy nanenjika ireo mpanararaotra ka naharava iny fihetsiketsehana iny omaly.
m.L