- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversMpanamboatra diplaoma sandoka : Ramatoa lehibe iray nosamborin’ny zandary, ary nadoboka am-ponja

Mpanamboatra diplaoma sandoka : Ramatoa lehibe iray nosamborin’ny zandary, ary nadoboka am-ponja

« Ahiana ho efa nisy nampiasaina nanaovana « reclassement » amin’ny asam-panjakana aza ireo diplaoma hosoka ireo »…

Nisy fotoana nahazo vahana tao amn’ny tambazotra sosialy ny fivarotana … diplaoma !! Dokam-barotra tsotra no nampisain’ireto fanetriben’ny firenena dia ny hoe « tsy mila mandany andro any am-pianarana dia afaka mahazo izy diplaoma tadiavinao ». Mety anisan’ireny ity ramatoa tra-tehaky ny zandary ity.

Vehivavy lehibe iray tokoa mantsy no nosamborin’ny avy eo anivon’ny Foibe fikarohana fandikan-dalàna eo anivon’ny Fibaikona ny zandarimariam-pirenena rehefa nisy ny fanadihadiana nataon’izy ireo taorinan’ny fametrahana fitoriana nataon’ny Tale-na sekoly ambony tsy miankina iray. Ity voasambotra dia voarohirohy ho isan’ireo ati-doha tamin’ny fanamboarana diplaoma hosoka amin’ny anaran’ity sekoly ambony ity. Ny « DTS » (diplôme de technicien supérieur) sy ny « Licence professionnelle » no fantatra fa tratra tao aminy. Tsy fantatra intsony izay ambonin’izay ! Voalazan’ny fampitam-baovaon’ny zandary mantsy fa ela efa ihany ity ramatoa ity sy ireo olona izay miray tsikombakomba aminy no nanao io asa ratsy. Ary mato niroboroboro sy mifikitra amin’izany izy ireo dia mety ho maro dia maro tokoa ny mpanjifany. Niaiky tanteraka izany tokoa moa ramatoa tamin’ny famotorana azy : « efa maro ny diplaoma namboariny sy efa ampiasain’ireo nividy izany ». Mipetraka araka izany ny ahiahin’ny rehetra sy ireo tompon’andraikitra ny mety efa ho fihitaran’izany, indrindra ny amin’ny asam-panjakan. «  Ahiana ihany koa ho efa nisy nampiasaina nanaovana « reclassement » aza ireo diplaoma hosoka ireo » hoy hatrany ny fampitam-baovao. Fantatra ihany koa mantsy fa vitan’ity ramatoa ity ny « nanova ny lisitr’ireo mpianatra navoakan’ny sekoly teny amin’ny sampan-draharaha misahana ny fitoviana lenta (équivalence) eo anivon’ny Minisiteran’ny asam-panjakana ». Izany hoe, toy ny ara-dalàna tanteraka ireo olona mampiasa ireo diplaoma sandoka ary tsy misy marika azo hamantarana izany.

Natolotra ny Fampanoavana omaly moa ity vehivavy ity ary tsy nisalasalan’ireo mpitsara mpanao famotorana ny nanadoboka azy am-ponja aloha, mandrapaha-tonga ny fotoam-pitsaràna azy. Olona roa ihany koa, izay voalaza fa mpiray tsikombakomba amin’ity ramatoa ity no araha-maso ara-pitsaràna amin’izao fotoana izao. Mbola mitohy ny fanadadihana ataon’ny eo anivon’ny zandamariam-pirenena mahakasika ity resaka ity ary tsy mijanona eo amin’ireo mpivarotra sy mpanao hosoka ihany fa hihitatra hatrany amin’ireo olona nividy sy nampiasa izany. Hirarian’ny rehetra ihany koa mba hipàka hatrany amin’ireo « trondro vaventy » izany fikarohana sy fisamborana izany. Heverin’ny rehetra tokoa mantsy fa matoa izy mahavita manolo ny anarana any amin’ireo Ministera isan-tsokajiny avy ireo dia tsy maintsy misy mpiray tendro sy mpiara-miasa amin’ny ratsy any amin’izany biraom-panjakana izany. Marihana fa nametraka fitoriana mahakasika ity raharaha ity ihany koa ny teo anivon’ny Primature/DLC.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici