Nahoraka eraky ny tanàna ny fisian’ny fianakaviana iray izay notafihan’ny jiolahy. Nafatotra izy ireo ary norobaina ny trano, nalaina izay tiana rehetra tao. Teo koa, rehefa nifampiresaka ny mpiray monina no nahafantarana fa nisesy ny famakiana trano ary indrindra koa ny halatra moto. Kodiaran-droa izay mipetraka tsara ao anaty tamboho misy vavahady mihidy ny ankamaroany. Ny farany tamin’ny fandrobàna dia famakiana fiara tao anaty tamboho ary mbola misy mpiambina koa aza no sady misy alika masiaka. Kanefa dia vitan’ireo olon-dratsy tsara ny niditra tao amin’ilay fiara ka naka ny vatoaratra sy ny autoradio tao anatiny. Ny teo anivon’ny polisim-pirenena, raha nanontaniana dia nilaza fa manao fisafoana ara-potoana eny amin’ny toerana. Mangataka izy ireo ny mba handraisan’ny mponina na ny vaomieram-pokontany andraikitra amin’ny fiantsoana ny mpitandro ny filaminana raha sendra misy zava-miseho. Indrindra koa, amin’ny fanoroana izay mety ho tompon’antoka amin’ity fandrobàna misesisesy eny an-toerana ity. Ny tsikaritra mantsy dia nisy rindran-damina nijanona rehefa nanomboka ny fihibohana ary izany dia lasa manamora ny asan’ny jiolahy. Tanàna maro mponina Ambohitsoa ary tsy tokony ho sarotra ny famantarana ny olon-dratsy raha mandeha ny fifaneraserana sy eo amin’ny mponina sy ny tompon’andraikitra tokony hatonina, ao anatin’izany ny mpitandro ny filaminana. Raha ny fanapahan-kevitry ny polisy dia hamafisina bebe kokoa ny fisafoana eny an-toerana nanomboka omaly alina.
D.R