- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025
AccueilFaits-DiversAntananarivokely-Maevatanàna : Sprinter roa nifandona teny an-tsena

Antananarivokely-Maevatanàna : Sprinter roa nifandona teny an-tsena

Rehefa tsena toy izao ny ato amin’ny disitrikan’i Maevatanàna no saika mifanitsakitro ny mponina, mbola tery tsy mila ho tsy misy handehanan’ny fiara ny arabe. Noho izany dia tra-doza teny amin’ny tanàna antsoina hoe Antananrivokely ity fiara Sprinter iray avy eto Maevatanàna izay hikasa hihazo hamonjy tsena eny amin’io tanàna volaza etsy aloha io, ny Alakamisy lasa teo, tokony ho tamin’ny folo ora maraina no nisehoan’izany. Nifandona tamin’ny sprinter iray avy any Mahatsinjo ambony, ity fiara rehefa nisongina, ka teo no nisian’ny fifandonana. Ny andro raha teo tsena no mifanisika ny olona. Nony tonga teo amin’ny toerana voalaza etsy aloha no niseho ny loza.  Vokany: Potika tsy nisy nirasina ny lohan’ilay fiara sprinter iray nitrongy avy aoriana, sady nifatratra tany anaty tsena kosa ny fiara voadona. Soa ihany fa tsy nisy ny aina nafoy na ny naratra nandritra izany. potika voahitsaka fiara ny ankamaroany entana navarotra rehetra. Teo no saika raikitra ny sakoroka, fa nalaky tonga ny Zandary ka voafehy ihany ny mponina. Araka ny fampitam-baovao voaray dia nisongina sprinter ity fiara avy eto Maevatanàna ity. Nijanona namonjy an’ireo traboina ny fiara rehetra nandalo nahita ny loza. Efa natao ny Zandary avy hatrany moa ny fizahana ho fiarovana ny faritra nisehoan’ny lozam-pifamoivizana.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici