- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-Divers« Weekend magnifique » : Mpivoaka alina 14, nosamborin’ny polisy

« Weekend magnifique » : Mpivoaka alina 14, nosamborin’ny polisy

Mbola misy ary tsy mbola resy akory ilay valanaretina, hoy ny eo anivon’ny polisim-pirenena. Raha ny hita anefa, indrindra fa ny eto an-dRenivohitra dia toa maro amin’ireo olona no manadino sa minia manadino tanteraka ny fisian’izany valanaretina izany ka tsy manaja sy tsy miraharaha intsony ireo fepetra rehetra noraisina tsy hiparitahan’izany valan’aretina Covid-19 izany. Ary izay indrindra no nahatonga azy ireo hisava sy hasiaka amin’ireny olona ireny. Porofon’izany, mpirevy sy olona tia mivoaka alina nahatratra am-polony tany ho any no voatery nosamborina ary nampidirina « violon » avy hatrany. Ny antony, tsy fanajana ny « couvre feu » ary tsy fitondrana aro vava sy orona. Ankoatr’ireo moa dia fantatra ihany koa fa olona  74 hatreto no tratra tsy nanao izay arovava sy orona izay teny an-dalam-be ka nampanaovina ilay asa iombonana na ny « TIG » (travaux d’intérêt général) ho fampatsiahivana azy ireo, fa mbola misy ireo fepetra noraisina io.

Eo amin’ny lafiny fiara mpitatitra, raha ny teo an-dRenivohitra, dia fantatra fa mbola misy ihany ireo mpamily na ny mpanampiny tsy manaja ihany koa ireo rehetra nolazaina sy notapahan’ireo tompon’andraikitra na mba mampihatra ihany fa amin’ny ampahany. Voatery nosazina ihany koa izy ireny ka nahatratra teo amin’ny 25 teo ireo « reveveur » no voatery nampanaovinaa asa iombonana. Antony : fampakarana « visiere » ho toy ny « casquette » na ihany koa tsy fanaovana tsotr’izao ity aro tava manjelatra ity. « Ny fihetsika tsy misy fitandremana asehontsika anefa, hoy ny eo anivon’ny polisim-pirenena hatrany, dia mety hampirongatra indray ny aretina ka aoka re mba samy ho tonga saina mba tsy hiverenan’ny fihibohana intsony »

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici